Toetanin-tendron-tany

Avy amin'i Wikipedia

Ny toetanin-tendron-tany dia toetanin' ny faritra eo anelanelan’ ny faribolan-tendron-tany sy ny tendron-tany. Tsy dia misy firy ny rotsak' orana ary ambany dia ambany ny maripana izay mahalana raha hihoatra ny 0 °C. Rakotra ranomandry mandrakariva ireo faritra ireo.

Antarktika. Ny ranomandry mandrakotra ny farihy Fryxell, ao amin'ny tangorom-bohitra Transantarktika dia avy amin' ny ranom-pitsonihan'ny tahirin-dranomandry Canada sy ny hafa koa.

Rakotra ranomandry i Arktika izay ahitana an’ i Goenlandy sy i Siberia any avaratra. Toraka izany koa i Antarktika any atsimo, izay efa nahitana hatsiaka mahatratra -88 °C. Mety mahatratra 3 000 m ny hatevin’ ny ranomandry amin’ izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]