Aller au contenu

Fiteny nahoatla

Avy amin'i Wikipedia
Faritra ao Amerika misy ny mpiteny nahoatla

Ny fiteny nahoatla na fiteny meksikana dia tamba-piteny (vondrona fiteny maro mpihavana) ao amin' ny fianakaviam-piteny otô-azteka. Ny karazam-piteny ao amin' ny fiteny nahoatla dia ampiasaina any amin' ny firenena maromaro any Amerika Avaratra sy Afovoany, indrindra any amin' ny fanjakana sasany ao Meksika afovoany sy atsimo: Puebla, Veracruz, Hidalgo ary Guerrero. Maherin' ny 2 tapitrisa amin' izao fotoana izao no miteny nahoatla, ny ankamaroan' izy ireo dia Nahoa meksikana. Io no fiteny teratany be mpampiasa indrindra any Meksika.