Goiana Frantsay

Avy amin'i Wikipedia
Guiana frantsay
Toerana misy an' i Goiana Frantsay

I Goiana Frantsay (frantsay: Guyane Française) dia vondrom-paritra frantsay tokana any Amerika Atsimo, manamorona an' i Brezila any atsimo-atsinanana sy atsimo ary manamorona an' i Sorinama any andrefana. Izy no hany vondrom-paritra frantsay ampitan-dranomasina an-tanibe. Ny fahefany, izay mitovy amin' ny an' ny faritra sy departemanta hafan' i Frantsa, dia navondrona nanomboka tamin' ny taona 2015 tao anatin' ny rafitry ny vondrom-paritra tokana izay manana ny antenimieran' i Guyane (Assemblée de Guyane) ho rantsana filankevitra. Any ivelan' i Frantsa ity faritra ity dia matetika antsoina hoe Guyane française.

Ireo fizaran-tany atao hoe Goiana Frantsay na Goiana

Manana velarana mirefy 86 504 km2 i Goiana Frantsay ary misy mponina miisa 301 099 (tamin' ny fiandohan' ny taona 2023). Izy no faritra frantsay faharoa lehibe indrindra, faharoa vitsy mponina indrindra ary manana hakitroky ny mponina ambany indrindra. Izy koa no departemanta be ala indrindra, ny 97 % amin' ny fizaràn-taniny dia rakotra alam-pehibe izay anisan' ny ahitana karazan-javamananaina be indrindra sy faran' izay tsy simba indrindra amin' ny lafiny tontolo iainana.

Tanàna lehibe indrindra[hanova | hanova ny fango]