Tetiandro miozolmana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo.

Ny andro sy ny volana[hanova | hanova ny fango]

Ny volana[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:

  • Muḥarram (مُحَرَّم)
  • Safar (صفر)
  • Rabi' al Awal (ربيع الأوّل)
  • Rabi' ath-Thani (ربيع الثاني)
  • Jumada al Awwal (جُمَادَىٰ الْأَوَّل) na Jumada al ‘Ula (جُمَادَىٰ الْأُولَىٰ)
  • Jumada ath-Thania (جمادى الثاني) na Jumaada al-Akhir na Jumada al-Akhira (جمادى الآخر)
  • Rajab (رجب‎)
  • Sha'bane (شعبان)
  • Ramadan (رمضان)
  • Shawwal (شوّال)
  • Dhu al Qidah na Dhu'l-Qa'dah (ذو القعدة)
  • Dhu al-Hijja (ذو الحجة).

Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso.

Ny andro[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny anaran'ny andro ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):

Andro Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
Anarany (Yawm) al-Aḥad (Yawm) al-Ithnayn (Yawm) ath-Thulāthā’ (Yawm) al-Arba‘ā’ (Yawm) al-Khamīs (Yawm) al-Jum‘ah (Yawm) as-Sabt
Arabo الأحد الإثنين الثلاثاء الأربعاء الخميس الجمعة السبت
Dikany Andro voalohany Andro faha-2 Andro faha-3 Andro fah-4 Andro faha-5 Andro fivoriana Andro fitsaharana

Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana:[hanova | hanova ny fango]

Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):

  • m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
  • g(m) = (m + 640,64616504):1,0306888.

Ny isa 1,0306888 dia tahan'ny halavan'ny taona manara-masoandro amin'ny halavan'ny taona manara-bolana.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]