Hankany amin'ny vontoatiny

Tetiandro manara-bolana

Avy amin'i Wikipedia

Ny tetiandro manara-bolana dia tetiandro ahitana volana mitovitovy faharetana amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany (29 na 30 andro) nefa tsy mampifanandrify ny tsingerin-taona amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny tsingerin' ny fizaran-taona. 29,5305882 andro ny faharetan' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana nefa tsy maitsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) ny iray volana fa tsy mitovy amin' io isa eo ambony io. Ny tetiandro miozolmana no tetiandro manara-bolana tanteraka.

Ny volana

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny ankapobeny dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin' ny tetiandro manara-bolana (amin' ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin' ny iray taona.

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan' ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin' ny taona amin' ny tetiandro gregôriana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]