Tetiandro manara-bolana sy masoandro
Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro dia tetiandro anitana volana mitovy faharetana (isan' ny andro) amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany (29 na 30 andro) araka ny hitan' ny maso, sady ahitana volana miisa roa ambin' ny folo, nefa misy fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny tsingerin' ny fizaran-taona.
Ireto avy ny tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny tetiandro hebreo, ny tetiandro samaritana, ny tetiandro sinoa, ny tetiandro tibetàna ary ny tetiandro hindoa. Ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana ny tetiandro manara-bolana sy masoandro an' ny Hebreo sy ny Sinoa.
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13 volana izany. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, izay tsapa amin' ny alalan' ny tsingerin' ny fizaran-taona sy ny toeran' ny antokon-kintana eny amin' ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany dia misy ny tetiandro ampiasana ny fifandraisan' ny telo taona amin' ny 37 volana na ny 19 taona amin' ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin' i Metôna").