Tetiandro manara-masoandro
Ny tetiandro manara-masoandro dia tetiandro ahitana volana roa ambin' ny folo nefa tsy miankina amin' ny fihodinan' ny Volana amin' ny Tany fa ahitana fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny tsingerin' ny fizaran-taona.
Ao amin' ny tetiandro manara-masoandro dia tsy mifanaraka amin'ny faharetan' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana ny iray volana. Ny faharetan' ny iray taona no kendrena hanakaiky indrindra ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro izay maharitra 365,242201 andro. Tetiandro manara-masoandro tanteraka ny tetiandro egiptiana sy ny tetiandro joliana ary ny tetiandro gregoriana.
Ny tetiandro egiptiana
[hanova | hanova ny fango]Nisy 365 andro ny iray taona tao amin' ny tetiandro egiptiana sady nitsinjara ho 12 volana (ahitana 30 andro avy) sy 5 andro fanampiny. Nampiasaina nandritra ny 4 500 taona izany tetiandro izany.
Ny tetiandro joliana
[hanova | hanova ny fango]Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana ny tetiandro gregôriana tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 yamin' ny andron' ny Papa Gregorio XIII.
Ny tetiandro gregôriana
[hanova | hanova ny fango]Ny salam-paharetan' ny taona ao amin' ny tetiandro gregôriana dia misy 365,2425 andro eo ho eo. Na ny tetiandro gregôriana aza dia mbola ahitana elanelana 3 andro amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro isaky ny 10 000 taona.
Ny ankamaroan' ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro gregôriana dia anarana nanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny Rômana sy ny emperora na kaisara fony izy ireo nanaraka ny paganisma. Na dia lasa kristiana aza i Rôma dia tsy afaka nanova ireo anaram-bolana ireo. Tsy nanova koa iny antokom-pivavahana kristiana na hafa, eny fa na dia ireo tsy te hanan-javatra ifandraisana amin' ny paganisma aza.