Tetiandro

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tetiandro na kalandrie na alimanaka dia fitaovana andrefesana ny fotoana sy amantarana ny toerana misy ny andro sy ny laharany ao amin'ny fizotran'ny fotoana ho an'ny fiainana andavanandro. Voazara ho andro sy ho herinandro sy ho volana ary taona ny fotoana, araka ny fihodin'ny Tany amin'ny Masoandro na ny an'ny Volana amin'ny Tany. Izany fitaovana izany dia noforonin'ny olombelona mba handaminana ny fizaràm-potoana anatina fotoana lava. Ny tetiandro be mpampiasa amin'izao fotoana izao dia ny tetiandro gregoriana. Ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny tenany no atao hoe andro. Ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro no atao hoe taona, izay manana salany maharitra 365 andro sy 5 ora sy 48 mn ary 45.5 s.

Taloha, ny faharetan'ny iray volana refesina amin'ny isan'ny andro ao aminy dia nampitovizina amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany, izay misy 29 na 30 andro. Ny taona manara-bolana, izay misy tsingerim-pihidinanan'ny Volana miisa 12 dia misy 354 andro, ka latsaka 11 andro sy 1/4 amin'ny taona manara-masoandro izany. Natao araka ny taona manara-masoandro ny tetiandro gregoriana ka maharitra 28 hatramin'ny 31 andro ny iray iray volana.

Niteraka fanovana tetiandro ny tsy fahafahana mizara feno ireo ventin-kalavam-potoana lehibe kokoa amin'ireo kely kokoa (andro, herinandro, volana, taona). Niteraka fahataran'ny tetiandro miohatra amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro ny fampiasana tetiandro manara-bolana ka niteraka fananampiana iray volana amin'ny taona sasany.

Ireo karazana tetiandro[hanova | hanova ny fango]

Telo karazana ny tetiandro fampiasa matetika hatramin'izay, dia ny tetiandro manara-bolana sy ny tetiandro manara-bolana sy masoandro ary ny tetiandro manara-masoadro.

Tetiandro manara-bolana[hanova | hanova ny fango]

Volana

Ny faharetan'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana dia 29,5305882 andro nefa ny iray volana dia tsy maitsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) fa tsy mitovy amin'io isa eo ambony io. Ny tetiandro miozolmana no tetiandro manara-bolana tanteraka.

Ny volana[hanova | hanova ny fango]

Matetika dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin'ny tetiandro manara-bolana (amin'ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin'ny iray taona.

Ny taona[hanova | hanova ny fango]

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany. Izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny tetiandro gregoriana.

Tetiandro manara-bolana sy masoandro[hanova | hanova ny fango]

Ny maro amin'ny tetiandro atao hoe manara-bolana, raha ny marina, dia tetiandro manara-bolana sy masoandro. Ireto avy ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny tetiandro hebreo, ny tetiandro samaritana, ny tetiandro sinoa, ny tetiandro tibetàna ary ny tetiandro hindoa. Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro an'ny Hebreo sy ny Sinoa dia ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana. Tetiandro manara-bolana sy masoandro ihany koa ny tetiandron-drazana malagasy; amin'izao dia ampiasaina indrindra amin'ny fanandroana ny tetiandro malagasy maro izay miovaova ka tsy mitovy arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Ny taona[hanova | hanova ny fango]

Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, izay tsapa amin'ny alalan'ny tsingerin'ny fizaran-taona sy ny toeran'ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin'i Metona").

Tetiandro manara-masoandro[hanova | hanova ny fango]

Sun at dusk (2007-07-28).jpg

Ao amin'ireo tetiandro manara-masoandro dia tsy mifanaraka amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany ny iray volana. Ny faheretan'ny iray taona no kendrena hanakaiky indrindra ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro izay maharitra 365,242201 andro. Tetiandro manara-masoandro ny tetiandro egiptiana sy ny tetiandro joliana ary ny tetiandro gregoriana.

Ny tetiandro egiptiana[hanova | hanova ny fango]

Nisy 365 andro ny iray taona tao amin'ny tetiandro egiptiana sady nitsinjara ho 12 volana (ahitana 30 andro avy) sy 5 andro fanampiny. Nampiasaina nandritra ny 4500 taona izany tetiandro izany.

Ny tetiandro joliana[hanova | hanova ny fango]

Misy 365,25 andro ny salam-paharetan'ny iray taona ao amin'ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin'ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin'ny fampiasana ny tetiandro gregoriana tamin'ny fanitsiana azy tamin'ny taona 1582 faha-Papa Gregorio XIII.

Ny tetiandro gregoriana[hanova | hanova ny fango]

Ny salam-paharetan'ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana dia misy 365,2425 andro eo ho eo. Na ny tetiandro gregoriana aza dia mbola ahitana elanelana 3 andro amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro isaky ny 10000 taona.

Ny ankamaroan’ny anaram-bolana ao amin’ny tetiandro gregoriana dia anarana nanomezam-boninahitra ireo andriamanitry ny Romana sy ny emperora na kaisarany fony izy ireo nanompo sampy. Na dia lasa Kristiana aza i Roma dia tsy nanan-kevitra hanova ireo anaram-bolana ireo. Tsy nanova koa ireo antokom-pivavahana kristiana na hafa, eny fa na dia ireo tsy te hanan-javatra ifandraisana amin’ny mpanompo sampy aza.

Teny malagasy Teny latina Heviny
Janoary, Zanvie Ianuarius Mifandray amin'ny andriamanitra Janosy, andriamanitry ny fiantombohana sy ny fiafarana
Febroary, Fevrie Februarius Volam-pidiovana, mifandray amin’i Apolo, andriamanitry ny
Marsa, Martsa Martius Mifandray amin’i Marsa, andriamanitry ny ady
Avrily, Aprily Aprilis Volam-pisokafan’ny voninkazo sy ny taona, volan'ny andriamanibavy Afrodita, andriamanitry ny
Mey, May Maius Mifandray amin’ny andriamanibavy Maia, andriamanitry ny fahalonahana sy ny lohataona
Jona, Jiona Iunius Mifandray amin’ny andriamanibavy Janosy, mpiaro ny fanambadiana
Jolay Iulius Volana anomezam-boninahitra an'i Jolio Kaisara (emperora romana)
Aogositra Augustus Volana anomezam-boninahitra an'i Aogosto (Kaisara)
Septambra September Volana "fahafito" tao amin’ny tetiandro romana
Oktobra October Volana "fahavalo" tao amin'ny tetiandro romana
Novambra November Volana "fahasivy" tao amin'ny tetiandro romana
Desambra December Volana "fahafolo" tao amin'ny tetiandro romana

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]