Aogositra

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' i Aogosto

Ny volana Aogositra no volana fahavalo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro joliana sy tetiandro gregôriana, ary io no volana fahadimy amin' ny volana fito maharitra 31 andro. Avy amin' ny teny latina hoe Augustus io anarana io. Any amin' ny ila-bolantany avaratra, ny volana Aogositra dia ao amin' ny vanim-potoanan' ny fahavaratra tanteraka, fa ny any amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia ao amin' ny vanim-potoanan' ny ririnina. Ny volana Aogositra any amin' ny ila bolantany atsimo dia mitovy amin' ny volana Febroary any amin' ny ila bolantany avaratra.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Aogositra dia avy amin' ny teny anglisy hoe August, izay avy amin' ny teny latina hoe Augustus. Tamin' ny Andro Taloha dia io no volana fahenina tamin' ny tetiandro rômana, ary Sextilis no narany tamin' izany. Taty aoriana dia novana ho Augustus ny anarany.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny volana Aogositra dia nantsoina amin' ny teny latina hoe Sextilis satria io no volana faha-6 tamin' ny tetiandro rômana misy volana folo tany am-boalohany tamin' ny andron' i Rômolo (Romulus) tamin' ny taona 753 tal. J.K., ka ny volana Marsa no volana voalohany ao amin' ny taona. Tokony ho tamin' ny taona 700 tal. J.K. dia lasa volana fahavalo ny volana Sextilis rehefa natovon' ny mpanjaka Noma Pômpilio (Numa Pompilius) tao amin' ny tetiandro eo alohan' ny volana Marsa ny volana Janoary sy Febroary, izay nanome an' io volana Sextilis io 29 andro koa.

Nanampy roa andro i Jolio Kaisara (Julius Caesar) tamin' ny namoronany ny tetiandro joliana tamin' ny 46 tal. J.K., ka nanome azy ny halavany maoderina 31 andro. Tamin' ny taona 8 tal. J.K. dia novana anarana io volana io ho fanomezam-boninahitra ny emperora Aogosto. Araka ny voalazan' ny fehin-kevitry ny Antenimieran-doholona rômana iray (senatus consultum) izay nataon' i Macrobius tonon-tsiahy dia nisafidy ity volana ity ny emperora satria tamin' io no fotoana nisian' ny fandreseny lehibe maro, anisan' izany ny fandreseny an' i Ejipta.

Ny tantara matetika miverimberina dia milaza fa nanana 31 andro ny volana Aogositra satria naniry ny hampitovy halavana ny volana Aogositra amin' ny halavan' ny volana Jolay an' i Jolio Kaisara i Aogosto, saingy zavatra noforonin' ilay manam-pahaizana Johannes de Sacrobosco (tamin' ny taonjato faha-13) izany. Ny Sextilis raha ny marina dia nisy 31 andro talohan' ny nanovana anarana azy.

Fomba amam-panao[hanova | hanova ny fango]

Fomba amam-panao malagasy[hanova | hanova ny fango]

Fantantsika fa maina ny tany aty Imerina raha tonga ny volana Aogositra. Ary malemilemy kokoa ny tazo noho ny amin' ny andro sasany. Ary mamboatra ny tanim-bary mba hanetsa ny vary vakiambiaty ny olona, raha tonga ny volana Aogositra.

Ireo zava-nitranga tamin' ny volana Aogositra[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Volana
Janoary | Febroary | Martsa | Aprily | Mey | Jona | Jolay | Aogositra | Septambra | Oktobra | Novambra | Desambra