Tetiandro malagasy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tetiandro malagasy dia tetiandro nampiasain'ny Malagasy talohan'ny nampiasany ny tetiandro gregoriana nentin'ireo vazaha sady mbola ampiasaina amin'ny sehatry ny fanandroana. Araka ny hevitry ny maro dia tetiandro manara-bolana ny tetiandro malagasy[1]. Tsy tokana anefa ny tetiandro malagasy fa maro vokatry ny fiaviany sy ny fiovany isam-paritra[2]. Avy amin'ireo tetiandro indiana tranainy sy ny fampanjariana anaram-bolana ny anaran'antokon-kintana arabo ireo tetiandro malagasy ireo[2]. Izany no mahatonga ny anaram-bolana sasany hitovitovy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana na fanandroana indiana amin'ny teny sanskrita fa ny sasany kosa, izay sady fantatry ny maro, dia avy amin'ny anaran'antokon-kintana amin'ny haikintana arabo.

Avy amin'ny tetiadro arabo ny anaran'ny andro ao amin'ny herinandro. Misy 28 na 29 na 30 andro ny iray volana amin'ny tetiandro malagasy[3].

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy voalohany dia avy amin'ny fanandroana indiana fa rehefa nisy Arabo nandalo sy nonina teto Madagasikara dia niova ho amin'ny fanandroana arabo na nifangaro aminy izany.

Noho ny fitovizana misy eo amin'ny anaram-bolana sy ny anaram-bintana malagasy dia tsy nampiasaina ireo anarana ireo rehefa nahazo vahana ny kolontsaina tandrefana sy ny fivavahana kristiana nefa notazomina ihany ny anaran'andro. Izany ihany koa no tsy ampiasana ny teny hoe tetiandro izay nosoloana ny hoe kalandrie na alimanaka. Ny anaram-bolana vazaha ao amin'ny tetiandro gregoriana ampiasain'ny Malagasy amin'izao, na Kristiana na tsy Kristiana, anefa misy ifandraisany koa amin'ny fivavahana amin'andriamanitra maro na amin'ny fivavahan'ny mpanompo sampy.

Mba hahazoana tsara ny momba ny tetiandro malagasy izay manaraka ny fihodin'ny Volana dia tokony havahana ka hosarahana aminy ny fanandroan-kintana izay miankina amin'ny antokon-kintan'ny zodiaka.

Isan-taona dia manonta boky kely misy ny alimanaka malagasy ny mpanandro maro na ny mpamokatra mpiara-miasa amin'izy ireo. Nanomboka ny volana Aprily 2019 dia efa misy ihany koa, ho an'ireo mpampiasa ny finday Android, ny haitao natokana hijerena ny alimanaka sy tetiandro malagasy [1] araka ny fomba fanisàna atao hoe "isa lava".

Votoatiny

Volana ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Misy karazany roa ny anaram-bolana malagasy, dia ny avy amin'ny fiteny sanskrita sy ny avy amin'y fiteny arabo.

Anaram-bolana avy amin'ny teny arabo[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo anaram-bolana avy amin'ny teny arabo ao amin'ny tetiandro malagasy ampiasaina koa ho anaram-bintana amin'ny fanandroana malagasy izay avy amin'ny anaran'ny evan'ny zodiaka amin'ny teny arabo fa tsy avy amin'ny tetiandro arabo (na silamo raha ny marina kokoa). Ny Merina sy ny Antemoro no voalazan'ny mpanoratra sasany fa tena nampiasa azy[4], nefa amin'ny fampiasana azy amin'ny fanandroana dia tsy misy mpanandro malagasy tsy mahalala izany. Azo antoka fa mifandray ny anarana malagasy sy arabo nefa tsy toy izany ny fifandraisan'ny volana malagasy sy ny antokon-kintana tondroina amin'ny anarana arabo.

Raha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro malagasy, ny anaran'antokon-kintana arabo navadika ho anaram-bolana sy anaram-bitana malagasy dia manaraka ny atao hoe zodiaka mikisaka (frantsay: zodiaque tropical) fa tsy ny zodiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral), izay vokatry ny fandinihana ny kintana sy ny Masoandro tany aloha ka tsy mifanaraka intsony amin'ny zava-misy momba ny kintana amin'izao fotoana izao. Raha manara-bolana fotsiny ny tetiandro malagasy dia tsy manaraka na ny zodiaka mikisaka na ny zodiakan-kintana.

Ireto avy ireo anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo ireo[2] [5] :

Teny malagasy Teny arabo
Alahamady, Alahamaly االحمل / Al-Hamal
Adaoro اثور / Ath-Thawr na Ath-Thur
Adizaoza, Alizoza, Adizaozy اجوزاء / Al-Djauza na Al-Djuza
Asorontany, Asaratany, Asaratà, Asorotany اسرطان / As-Sartan na As-Saratan
Alahasaty, Alahasady اأسد / Al-Asad
Asombola السنبلة / As-Sumbula na As-Sumbul
Adimizana, Alimizana, Alimizà اميزان / Al-Mizan
Alakarabo, Alakarobo اعقرب / Al-Akrab na Al-Aqrab
Alakaosy, Alakaoza اقوس / Al-Kaus
Adijady, Alijady اجدي / Al-Djadi
Adalo ادلو / Al-Dalu
Alohotsy, Alahotsy الحوت / Al-Hut

Samy manana ny fanononany azy ny isam-paritra sady tsy voatery hifanandrify tanteraka ny fotoana tondroin'ny anaram-bolana tokony hitovy.

Anaram-bolana avy amin'ny teny sanskrita[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny anaram-bolana avy amin'ny teny sankrita izay mbola misy mampiasa amin'ny faritra maro eto Madagasikara, ka tsy ny mpanandro ihany no mahalala azy noho ny sasany amin'izy ireo ampiasaina ho anaran'ny fizaran-taona: Volasira, Faosa, Volamaka, Hiahia, Sakamasay, Sakave, Volambita, Asaramanara, Asara, Vatravatra, Asotry ary Hatsiha[6]. Miovaova isam-paritra ireo anarana ireo sady mety tsy hitovy ny fotoana isehoan'ny volana mitovy anarana.

Azo lazaina ho manara-bolana sy masoandro ity tetiandro ity noho ny maha mora fantatra hatrany ny fizaran-taona mifanandrify amin'ny volana sasany. Tsy misy teo amin'ny tantara anefa ny tetiandro voasoratra hahafantarana ny andro tena anombohan'ny taona.

Rehefa ampiasain'ny mpanandro ho anaram-bintana ireo anaram-bolana ireo dia matetika miaraka amin'ny anaram-bolana sy vintana avy amin'ny teny arabo.

Fifandraisan'ny anaram-bolana avy amin'ny teny arabo sy sanskrita[hanova | hanova ny fango]

Misy ny mpanoratra milaza fa mifandray ny tetiandro malagasy avy amin'ny teny sanskrita sy ny tetiandro malagasy avy amin'ny teny arabo na dia mbola tsy tena azo antoka izany. Inty ny fifandraisan'ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo sy avy amin'ny teny sanskrita [7] [8]. Raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy mampiasa teny arabo dia tsy tokony ho raikitra sahala amin'io ny fifandraisan'ireo tetiandro malagasy roa ireo.

Anaram-bolana avy

amin'ny teny arabo

Anaram-bolana avy

amin'ny teny sanskrita

Alahotsy Asaramasay
Alahamady Asarabe
Adaoro Vatravatra
Adizaozy Asotry
Asorotany Hatsiha
Alahasaty Volasira
Asombola Fosa
Adimizana Maka
Alakarobo Hiahia
Alakaoza Fisakamasay
Adijady Fisakavy
Adalo Volombita

Sarotra raisina ity fampifanandrifina ny tetiandro malagasy roa ity satria ireo volana malagasy mitondra anarana sanskrity dia mifanandrify amim-pizaran-taona fantatra. Ohatra, ny volana Volambita dia tokony ho ao amin'ny lohataona nefa ny volana Adalo lazaina fa mifanandrify aminy dia tokony ho amin'ny fizaran-taona fahavaratra (raha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro malagasy ary raha misy fizaran-taona efatra ny taona iray).

Tsy misy heviny firy ny fampifanandrifiana raha manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy misy anaram-bolana avy amin'ny teny arabo.

Dikan'ny anaram-bolana[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny maha anaram-bintana azy ireo dia azo atao ny mampifanandrify azy amin'ny anaram-bintana amin'ny fiteny vahiny (latina, frantsay, anglisy sns) noho ny fitovian'ny hevi-teny, na dia zavatra samy hafa no tondroiny ara-potoana. Tsy midika izany fa mitovy ny fari-potoana tondroin'ny volana malagasy sy ny evan'ny zodiaka tandrefana.

Anaram-bolana

malagasy

Anaran'antokon-kintan'ny

zodiaka amin'ny teny latina

Dikany

ara-bakiteny

Alahamady Aries "ondrilahy"
Adaoro Taurus "ombilahy"
Adizaozo Gemini "kambana"
Asorotany Cancer "foza"
Alahasaty Leo "liona"
Asombola Virgo "virjina"
Adimizana Libra "mizana"
Alakarabo Scorpio "maingoka"
Alakaosy Sagittarius "mpitifitra tsipika"
Adijady Capricornus "osy-trondro" na "osilahy"
Adalo Aquarius "mpandraraka rano"
Alohotsy Pisces "trondro"

Fifandraisan'ny anarana amin'ny teny sasany[hanova | hanova ny fango]

Izao ny anaran'ireo vintana ireo amin'ny fiteny latina sy malagasy sy arabo ary frantsay:

Teny latina Teny malagasy Teny arabo Teny frantsay
Aries Alahamady Al-Hamal Bélier
Taurus Adaoro Ath-Thur Taureau
Gemini Adizaoza Al-Djuza Gémeaux
Cancer Asorotany As-Saratan Cancer
Leo Alahasaty Al-Asad Lion
Virgo Asombola As-Sumbul Vierge
Libra Adimizana Al- Mizan Balance
Scorpius Alakarabo Al-Akrab Scorpion
Sagittarius Alakaosy Al-Kaus Sagittaire
Capricornus Adijady Al-Djadi Capricorne
Aquarius Adalo Al-Dalu Verseau
Pisces Alohotsy Al-Hut Poissons

Ny andro sy ny herinandro ary ny taona[hanova | hanova ny fango]

Ny andron'ny herinandro ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny fanombohan'ny andro iray ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny andro ao amin'ny tetiadro malagasy dia tsy manomboka amin'ny misasakalina fa amin'ny filentehan'ny Masoandro, sahala amin'ny tetiandro arabo na hebreo. Amin'ny fanandroana aza dia efa heverina ho isan'ny andro manaraka ny tolakandron'ny andro diavina, izany hoe ny aorian'ny mitatao vovonana. Ohatra: andro roa samy hafa ny tapak'andro alohan'ny mitatao vovonana tsy ahatsinanan'ny Volana sy ny tapakandro aorian'ny mitatao vovonana ahatsinanan'ny Volana.

Ny anaran'andro ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny anaran'andro malagasy izay avy amin'ny teny arabo sady mbola ampiasaina ao amin'ny tetiandro gregoriana amin'ny teny malagasy.

Teny malagasy Alahady, Lahady Alatsinainy, Latsinainy, Tinainy Talata, Atalata Alarobia, Larobia Alakamisy, Kamisy Zoma, Azoma, Joma Asabotsy, Sabotsy
Teny arabo niaviany al-Aḥad al-Ithnayn ath-Thulāthā’ al-Arba‘ā’ al-Khamīs al-Jum‘ah as-Sabt

Ny herinandro ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny herinandro ao amin'ny tetiandro malagasy dia misy fito andro. Tsy mitovy amin'ny zava-misy amin'izao fotoana nandraisana ny kolontsaina tandrefana izao anefa ny zava-nisy tamin'ireo Malagasy niaina tany aloha. Amin'ny Ntaolo malagasy dia ny andro Alakamisy, izay andro tsara indrindra anombohana asa, araka ny finoany, no andro voalohany ao amin'ny herinandro. Ny fanombohan'ny herinandro amin'ny Alatsinainy dia nentin'ny kolontsaina tandrefana ka mbola tohizana ao amin'ny tetiandrom-panjakana ankehitriny eto Madagasikara. Ny fanombohan'ny herinandro amin'ny Alahady dia vokatry ny kristianisma izay manao an'io andro io ho andro lehibe satria "andron'ny Tompo", izany hoe andron'i Jesoa Kristy izay inoany fa nitsangana tamin'ny maty amin'ny andro Alahady.

Ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Taona ao amin'ny tetiandro manara-bolana

Ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy (ny iray volana dia misy 29 na 30 andro satria maharitra 29 andro sy sasany eo ny tsingerim-bolana iray), ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin'ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana izay misy 365 na 366 andro[1]. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro. Olana eo amin'ny tetiandro malagasy ny tsy fahafantarana ny fotoana nanombohan'ny fanisan-taona ankapobeny ao amin'io tetiandro io. Matetika dia ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana ihany no tovonana laharan'andro sy anaram-bolana amin'ny fampiasana tetiandro malagasy. Ohatra: "06 Alahamady 1899": ny 1899 dia fanisan-taona gregoriana. Tsy misy ny fampifanandrifiana raikitra ny fiantombohan'ny Alahamady amin'ny daty gregoriana.

Mitety ny fizaran-taona rehetra ny volana malagasy tsirairay raha manara-bolana fotsiny, ka ny tetiandro miozolmana no azo ampifanandrifina aminy: ny volana Alahamady malagasy dia mifanandrify amin'ny volana Shawwal silamo, izany hoe aorin'ny fahataperan'ny volana Ramadan. Azo atao noho izany ny manao fafana maneho ny fifandraisan'ny tetiandro malagasy manara-bolana tanteraka amin'ny tetiandro miozolmàna, araka izao:

Tetiandro manara-bolana tanteraka
Tetiandro malagasy Tetiandro miozolmàna
Alahamady Shawwal (شوّال)
Adaoro Dhu al Qidah na Dhu'l-Qa'dah (ذو القعدة)
Adizaoza Dhu al-Hijja (ذو الحجة)
Asorotany Muḥarram (مُحَرَّم)
Alahasaty Safar (صفر)
Asombola Rabi' al Awal (ربيع الأوّل)
Adimizana Rabi' ath-Thani (ربيع الثاني)
Alakarabo Jumada al Awwal (جُمَادَىٰ الْأَوَّل) na Jumada al ‘Ula (جُمَادَىٰ الْأُولَىٰ)
Alakaosy Jumada ath-Thania (جمادى الثاني) na

Jumaada al-Akhir na Jumada al-Akhira (جمادى الآخر)

Adijady Rajab (رجب‎)
Adalo Sha'bane (شعبان)
Alohotsy Ramadan (رمضان)

Taona ao amin'ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro

Amin'izao fotoana ifampikasohan'ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina tandrefana izao, miampy ny fiheveranan'ny olona sasany ny Malagasy ho manam-piaviana jiosy, dia misy ny tetiandro tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana Alahamady amin'ny fari-potoana ao amin'ny volana Marsa sy Avrily ka ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa no andro voalohany amin'ny taona. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan'ny Alahamady amin'ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.

Ireo boky tranainy miresaka ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy anefa mionona fotsiny amin'ny fitanisana sy fandaharana ny anaram-bolana ary ny fanazavana ny fiasany ao amin'ny fanandroana fa tsy manondro daty gregoriana anombohana na ahataperana na aharetan'ny volana malagasy amin'ny taona rehetra.

Tsy mifanitsaka afa-tsy amim-bolana gregoriana roa ny volana malagasy tsirairay raha manara-bolana sy masoandro ny tetiandro malagasy. Raha izany dia mifanandrify matetika isan-tamona amin'ny volana hebreo Nisan ny Alahamady malagasy. Azo atao noho izany ny manao fafana maneho ny fifandraisan'ny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoandro amin'ny tetiandro hebreo, araka izao:

Tetiandro manara-bolana sy masoandro
Tetiandro malagasy Tetiandro hebreo Volana gregoriana
Alahamady Nisan (נִיסָן) Marsa - Avrily
Adaoro Iyyār (אִיָּר) Avrily - Mey
Adizaoza Sivan (סִיוָן) Mey - Jona
Asorotany Tamûz (תמוז) Jona - Jolay
Alahasaty ʾĀv (אָב) Jolay - Aogositra
Asombola ʾĔlûl (אֱלוּל) Aogositra - Septambra
Adimizana Tishrí (תִּשְׁרִי) Septambra - Oktobra
Alakarabo Heshvān (חֶשְׁוָן) Oktobra - Novambra
Alakaosy Kislēv (כִּסְלֵו) Novambra - Desambra
Adijady Tevet (טֵבֵת‎) Desambra - Janoary
Adalo Shevat (שְׁבָט) Janoary - Febreoary
Alohotsy Adar (אֲדָר) Febroary - Marsa

Olana sy fahadisoan-kevitra momba ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny volana malagasy sy ny zodiaka[hanova | hanova ny fango]

Misy roa karazana ny fifandisoana izay mifandray amin'ny fisian'ny zodiaka roa samy hafa satria misy ny atao hoe zodiakan-kintana (frantsay: zodiaque sidéral) sy ny zodiaka mikisaka (frantsay: zodiaque tropical) izay samy mampiasa anarana mitovy hanondroana ny antokon-kintana sy ny evam-panandroana (vintana).

Tsy fifanandrifiana amin'ny zodiakan-kintana[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana anombohan'ny Masoandro miditra ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny zodiaka iray dia tsy voatery hifanandrify amin'ny tsinam-bolana izay andro voalohany ao amin'ny volana malagasy. Amin'ny maha manara-bolana ny tetiandro malagasy, izany hoe amin'ny maha vokatry ny fanaraha-maso ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany, dia tsy voatery hifanandrify amin'ny fotoana isehoan'ny antokon-kintana tondroiny eny amin'ny lanitra ny fotoana tondroin'ny anaram-bolana fa matetika mifandiso[1] [9].

Ny fampifandraisana ny anaram-bolana malagasy amin'ny anaran'ny evan'ny zodiaka dia vokatry ny fiheverana fa manaraka ny fanandroan-kintana[10] ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy, nefa tsy marina izany. Ny mpanandro malagasy taloha dia tsy afaka nanara-maso ny kintana antsakany sy andavany noho ny tsy fananany fitaovam-pijeren-davitra na fitaovam-pandrefesam-potoana na fitaovam-pandrefesan-joro. Tsy nisy koa ny taranja siantifika momba ny kintana izay ahafahana manao kajy momba ny toerana sy ny fotoana isehoan'ny antokon-kintana. Ny tsingerim-pihodinan'ny Volana no arahiny.

Araka ny fahalalan'ny Malagasy sasany ankehitriny dia amin'ny tsinam-bolana manodidina ny 21 Marsa ny volana voalohany amin'ny taona, dia ny Alahamady izany. Ny tetiandro sahala amin'izany dia tsy manara-bolana fotsiny fa manara-masoandro koa, nefa tsy manamarina izany ny teknika nananan'ny Ntaolo izay tsy nanana ny tetiandro gregoriana hanamarinany ny 21 Marsa ka hisafidianany ny tsinam-bolana manakaiky an'io daty io.

Tsy manaraka kintana ny tetiandro malagasy mampiasa ny anaran'antokon-kintana amin'ny teny arabo. Raha tena ny kintana no nojeren'ny mpanandro malagasy dia tsy misy dikany ny fiaingana amin'ny ekinoksan'ny 21 Marsa[11] izay tsy momba ny zodiakan-kintana fa momba ny zodiaka mikisaka sady mila ireo fitaovana sy taranja voalaza etsy aloha ireo ny fahamarinany.

Manampy ny fifandisoana koa, hoy ny mpanoratra sasany, ny tsy fisehoan'ny antokon-kintan'ny zodiaka sasany lazaina amin'ireo anarana arabo ireo aty amin'ny ila-bolantany atsimo[1]. Na ny Arabo sy ny vahoaka niteny sanskrita dia any amin'ny ila-bolantany avaratra avokoa no fonenany. Na dia amin'izao andro ankehitriny izao dia ireo olona manana fitaovana moderna fijerena kintana na ny mpahay kintana no afaka mamaritra hoe ovina ny Masoandro no miditra ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana iray.

Manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy ahitana anaram-bolana avy amin'ny teny arabo izay nampiasaina amin'ny fanandroana teo amin'ireo Ntaolo, hoy ny mpanoratra sasany, ka tsy miverina ny fifanandrifiam-bolana raha tsy afaka 33 taona gregoriana na 34 taona manara-bolana, sahala amin'ny tetiandro miozolmana, nefa tsy fantatra ny volana malagasy tokony hifanandrify amin'ny volana silamo noho ny tsy fitoviam-pijerin'ny samy mpanandro malagasy.

Na dia izany aza, misy ireo Malagasy manaraka ny tetiandrom-bolana izay manao ny Alahamady ho volana manarakaraka ny volana Ramadany silamo, izany hoe ny volana Saoaly (arabo: Shawwal).

Tsy fifanandrifiana amin'ny zodiaka mikisaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fari-danitra misy ny antokon-kintan'ny zodiaka (araka ny zodiakan-kintana) tsirairay dia tsy mifanandrify amin'ny fari-danitry ny evan'ny zodiaka (zodiaka mikisaka) na dia mitondra anarana mitovy aza ny eva iray sy ny antokon-kintana iray. Faharoa, ny fanombohan'ny fotoan'ny evan'ny zodiaka iray dia tsy voatery hifanandrify amin'ny tsinam-bolana.

Ny fizaran-taona no zavatra azon'ny fitaovam-pandrenesana tsapaina hamantarana ny fotoana mety misy ny zava-mitranga voajanahary iray ao anatin'ny taona, ka tsy ampy hahazoana daty tena mazava izany raha tsy misy fitaovana ampiasaina. Ny fotoana anombohan'ny filatsahan'ny orana, ohatra, dia tsy amin'ny daty tsy miova ao isan-taona ka hiaingana amin'ny fanisana andro.

Ireo anaram-bintana isam-bolana hita amin'ny torovintana avoakan'ny gazety sasany dia fandikana fotsiny ny anaran'ny evan'ny zodiaka ho amin'ny anaram-bintana na anaram-bolana malagasy fa tsy misy ifandraisany amin'ny tetiandro malagasy na amin'ny fanandroana malagasy izay miandry tsinam-bolana.

Tsy fitovian'ny zodiaka roa[hanova | hanova ny fango]

Inty ny fafana maneho ny tsy fitovian'ny zodiaka roa sy ny fidiran'ny Masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny zodiaka sy ny fivoahany avy ao:

Anarana Eva Zodiaka mikisaka Antokon-kintana Zodiakan-kintana
Aries (Alahamady) 21 Marsa - 20 Avrily

(31 andro)

18 Avrily - 13 Mey

(25,5 andro)

15 Avrily - 15 Mey
Taurus (Adaoro) 21 Avrily - 20 Mey

(31 andro)

13 Mey - 21 Jona

(38,2 andro)

16 Mey - 15 Jona
Gemini (Adizaoza) 21 Mey - 21 Jona

(31 andro)

21 Jona - 20 Jolay

(29,3 andro)

16 Jona - 15 Jolay
Cancer (Asorotany) 22 Jona - 22 Jolay

(31 andro)

20 Jolay - 10 Aogositra

(21,1 andro)

16 Jolay - 15 Aogositra
Leo (Alahasaty) 23 Jolay - 22 Aogositra

(31 andro)

10 Aogositra - 16 Septambra

(36,9 andro)

16 Aogsitra - 15 Septambra
Virgo (Asombola) 23 Aogositra - 22 Septambra

(31 andro)

16 Septambra - 30 Oktobra

(44,5 andro)

16 Septambra - 15 Oktobra
Libra (Adimizana) 23 Septambra - 22 Oktobra

(30 andro)

30 Oktobra - 20 Novambra

(21,1 andro)

16 Oktobra - 15 Novambra
Scorpio (Alakarabo) 23 Oktobra - 22 Novambra

(31 andro)

20 Novambra - 29 Novambra

(8,4 andro)

16 Novambra - 15 Desambra
Ophiuchus 29 Novembra - 18 Desambra

(18,4 andro)

Sagittarius (Alakaosy) 23 Novembra - 21 Desambra

(29 andro)

18 Desambra - 20 Janoary

(33,6 andro)

16 Desambra - 14 Janoary
Capricornus (Adijady) 22 Desambra - 20 Janoary

(30 andro)

20 Janoary - 16 Febroary

(27,4 andro)

15 Janoary - 14 Febroary
Aquarius (Adalo) 21 Janoary - 19 Febroary

(30 andro)

16 Febroary - 11 Marsa

(23,9 andro)

15 Febroary - 14 Marsa
Pisces (Alohotsy) 20 Febroary- 20 Marsa

(29 na 30 andro)

11 Marsa - 18 Avrily

(37,7 andro)

15 Marsa - 14 Avrily
TOTALY 365 na 366 andro 366 andro


Fiovaovan'ny daty gregoriana ahatsinanan'ny volana[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana mahatsinana ny Volana na mahafenomanana azy sns na ny laharan'andro manaraka io fahatsinana io no arahin'ny mpanandro malagasy fa tsy ny fihetsiky ny antokon-kintana intsony.

Ny andro ahatsinanan'ny Volana no andro voalohany ao amin'ny voIana malagasy. Mikisaka hatrany noho izany ny volana malagasy manara-bolana raha ampitahaina amin'ny volana gregoriana. Inty misy ohatra iray: ataontsika hoe eo anelanelan'ny volana Marsa sy Avrily ny volana Alahamady amin'ny taona 2019.

Fotoana ahatsinanan'ny volana tamin'ny taona 2019[12][hanova | hanova ny fango]

Janoary 6 Janoary 2019
Febroary 4 Febroary 2019
Marsa 6 Marsa 2019
Avrily 5 Avrily 2019
Mey 5 Mey 2019
Jona 3 Jona 2019
Jolay 2 Jolay 2019
Aogosotra 1 Aogositra 2019
30 Aogosotra 2019
Septambra 28 Septambra 2019
Oktobra 28 Oktobra 2019
Novambra 26 Novambra 2019
Desambra 26 Desambra 2019

Maty indroa ny Volana amin'ny volana Aogositra 2019.

Fotoana ahatsinanan'ny volana amin'ny taona 2020[12][hanova | hanova ny fango]

Janoary 24 Janoary 2020
Febroary 23 Febroary 2020
Marsa 24 Marsa 2020
Avrily 23 Avrily 2020
Mey 22 Mey 2020
Jona 21 Jona 2020
Jolay 20 Jolay 2020
Aogositra 19 Aogositra 2020
Septambra 17 Septambra 2020
Oktobra 16 Oktobra 2020
Novambra 15 Novambra 2020
Desambra 14 Desambra 2020

Izao, ohatra, no fifandraisana azo momba ny daty gregoriana mamaritra ireo volana malagasy sy ny fikisahan'izany araka ireo fafana etsy ambony raha tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy[13]:

  1. Alahamady: 6 Marsa - 4 Avrily 2019;
  2. Adaoro: 5 Avrily - 4 Mey 2019;
  3. Adizaoza: 5 Mey - 2 Jona 2019;
  4. Asorotany: 3 Jona - 1 Jolay 2019;
  5. Alahasaty: 2 Jolay - 31 Jolay 2019;
  6. Asombola: 1 Aogositra - 29 Aogositra 2019;
  7. Adimizana: 30 Aogositra - 27 Septambra 2019;
  8. Alakarabo: 28 Septambra - 27 Oktobra 2019;
  9. Alakaosy: 28 Oktobra - 25 Novambra 2019;
  10. Adijady: 26 Novambra - 25 Desambra 2019;
  11. Adalo; 26 Desambra 2019 - 23 Janoary 2020;
  12. Alohotsy: 24 Janoary - 22 Febroary 2020;
  1. Alahamady: 23 Febroary - 23 Marsa 2020;
  2. Adaoro: 24 Marsa - 22 Avrily 2020
  3. sns.

Lasa eo anelanelan'ny volana Febroary sy Marsa, ohatra, ny Alahamady amin'ny taona 2020. Raha tiana haverina eo aamin'ny Marsa na Avrily indray ny Alahamady amin'ny taona 2020 dia tokony haverina ho Alohotsy ny fari-potoana 23 Febroary - 23 Marsa 2020.

Ohatra maneho ny fikisahan'ny volana malagasy io ka tsy voatery hifanaraka amin'izay eken'ny Malagasy rehetra na eken'ny Malagasy ao amin'ny vondrona iray na maro. Ny fanaovana toy izany dia mahatonga ny tetiandro malagasy holasa manara-bolana sy masoandro, toy ny tetiandro hebreo, fa tsy manara-bolana fotsiny toy ny tetiandro miozolmana. Tsy misy anefa lovantsofina manamarina izany tanteraka.

Fisiana na tsy fisian'ny volana faha-13[hanova | hanova ny fango]

Tetiandro manara-bolana ?[hanova | hanova ny fango]

Raha manara-bolana tanteraka toy ny tetiandro miozolmana ny tetiandro malagasy, izay tsy manampy volana faha-13, dia tsy ho marina ny filazana fa amin'ny volana Marsa na Avrily ny tsinam-bolan'ny Alahamady fa hitety ny volana rehetra ao amin'ny taona gregoriana mandritra ny 33 taona, araka ny voalaza teny aloha (jereo: volana Ramadany). Toy izany koa ny hiseho amin'ireo volana malagasy hafa. Izany tetiandro manara-bolana tanteraka izany dia tokony hahamora ny fitovian'ny tetiandro malagasy manerana an'i Madagasikara sy ho an'ny mpanandro rehetra, noho izy tsy mila afa-tsy ny fanaraha-maso ny fahatsinan'ny Volana fotsiny. Tokony hanalasala ny maha tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro malagasy raha nisy tokoa fiezahan'ny Ntaolo hanatratra ny fanombohan'ny taona ao amin'ny volana Marsa na Avrily.

Tetiandro manara-bolana sy masoandro?[hanova | hanova ny fango]

Raha manara-bolana sy masoandro kosa ny tetiandro malagasy dia tsy maintsy nisy ny fiezahana hanitsy ny fifandisoana eo amin'ny volana ao amin'ny taona sy ny fizaran-taona tokony hifanandrify aminy, tahaka ny hita ao amin'ny tetiandro hebreo (jereo: volana Nisana). Latsaka 11 andro eo ho eo ny ankamaroan'ny taona malagasy raha mitaha amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro. Mahafeno mihoatra ny tsingerim-bolana iray izany ao anatin'ny telo taona (11 x 3 = 33 andro). Noho izany dia tokony hanisika iray volana fanampiny (tsingerim-bolana 29 na 30 andro) isaky ny telo taona ny mpanandro malagasy[14]. Tsy nisy anefa firesahana fa indraindray dia maharitra 383 na 384 na 385 andro (354+29 na 354+30 na 355+29 na 355+30) ny taona malagasy na misy volana maharitra 59 andro (satria averina indroa) na misy anaram-bolana hafa tanteraka (volana faha-13) nasisika.

Tsy misy miresaka anefa ny amin'izany volana faha-13 izany ary tsy misy mampihatra fa samy te hamerina ny volana Alahamady isan-taona manodidina ny volana Marsa sy Avrily ny mpanoratra sasany momba ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy ary ny mpandala ny maha Malagasy sasany ankehitriny. Raha izany tokoa anefa no fanao dia tokony hisy fomba ahafantarana ny anaran'ny volana asisika na averina indroa isaky ny telo taona na tokony hisy hiresaka ny amin'ny taona lava kokoa noho ny mahazatra isaky ny telo taona.

Vokatry ny olana momba ny tetiandro malagasy[hanova | hanova ny fango]

Manampy trotraka ny olana momba ny tetiandro malagasy ny fahasamihafan'ny fotoana tondroin'ny anaram-bolana iray arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Mety vokatry ny fisafidianana ny fomban'ny tetiandro izany (manara-bolana na manara-bolana sy masoandro) na noho ny antony hafa.

Taombaovao malagasy eken'ny rehetra[hanova | hanova ny fango]

Tsy fitovian'ny volana voalohany ao amin'ny taona[hanova | hanova ny fango]

Tsy mitovy ny volana malagasy voalohany ao amin'ny taona arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Ny ao Imerina nisafidy ny Alahamady izay misy olana ny famaritana azy amin'izao fotoana izao. Izany dia nanomboka tamin'ny fankalazana ny andro nahaterahan'ny mpanjaka merina atao hoe Ralambo izay lazaina fa teraka tamin'ny vava Alahamady. Ny amin'ny toeran-kafa, toy ny any Antsakalava, anefa nandray ny Volambita ho volana voalohany. Na amin'ny faritra iray izay onenan'ny foko iray tokony hitovy tetiandro dia samy manana ny volana heveriny ho lehibe indrindra mitaha amin'ny sisa rehetra, toy izany ny ao Androy izay manao ny Volambita na koa ny Vatravatra, izay volana samy hafa, ho volana voalohany; toy izany koa ny zava-miseho ao Analamanga amin'ny samy Merina izay ahitana tetiandro maro samihafa, roa fara fahavitsiny.

Tsy fitovian'ny fotoana tondroina amin'ny anaram-bolana iray[hanova | hanova ny fango]

Na ny anaram-bolana hoe Alahamady na Alahamaly aza no hosafidina hatao volana voalohany ao amin'ny taona malagasy ary ny andro voalohany amin'io volana io (vava Alahamady) no hankalazana ny taom-baovao dia mety samy manana ny fotoana heveriny ho volana Alahamady na Alahamaly ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Izany, ohatra, no mahasaro-paritana ny fotoana mifanandrify amin'ny volana Alahamady izay tian'ny mpandala ny nentin-drazana hatao taom-baovao malagasy. Ny Volambita sakalava koa dia tsy voatery hifanandrify tanteraka amin'ny Volambita tandroy na Volambita betsileo. Izany rehetra izany dia mety vokatry ny tsy nisian'ny fahefana na fifanarahana namaritra ny tetiandro sy ny fanisan-taona izay nankinina fotsiny amin'ny fanandroam-bolana.

Amin'izao fotoana izao dia misy ny milaza ny tetiandrony ho tena malagasy ka tokony harahin'ny Malagasy rehetra, indrindra amin'ny fankalazana io atao hoe "taombaovao malagasy" io[15].

Sombin-dahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Ary nony tamy ny andro Alahady 14 Martsa 1897 12 Alahamady ...[16]

Ary tamy ny andro Alakamisy 1 Adaoro, 26 May 1892.... [17]

Ary nony Alakamisy 27 Adizaoza, 30 July 1891.[18]

… koa dia nody Antananarivo tamy ny andro Alakamisy 14 Asorotany 1864.[19]

Tamy ny andro Alarobia 16 Alahasaty 4 Janoary 1882.[20]

… ary nony ampitso Alahady 14 Septembra 26 Asombola dia niangona tao....[21]

Dia navoaky ny Mpanjaka tamy ny andro Alakamisy 5 Adimizana 31 Janoary 1884.[22]

Tamy ny andro Alahady 20 Alakarabo, 20 Desembra 1891.[23]

Ilay "Lalàn' ny Fanjakana" (Code des 305), izay notononin' ny olona hoe "Ny dimy venty sy telon-jato", dia nokabariny [Ranavalona II] tao Andohalo tamin' ny Talata 1 Alakarabo (29 mars 1881).[24]

Tamy ny andro Zoma 28 Alakaosy 6 Febroary 1891.[25]

… fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 Adijady dia namely mafy ny rivotra[26]

Ary nony Alakamisy 20 Adalo, 14 Febroary 1895[27]

Ary nony tamy ny andro Alahady 4 Alohotsy 1857.[28]

Ny tetiandro sy ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny tonon'andro[hanova | hanova ny fango]

Mitondra tonon'andro telo izay antsoina hoe "vava" (na "vavany") sy "vonto" ("vontony") ary "vody" (na "vodiny") ny renivintana, fa tsy mitodra afa-tsy tonon'andro roa atao hoe "vavany" sy "vodiny" ny zanabintana.

Ireto avy ny tonon'andro misy raha atomboka amin'ny vintana Alahamady: vava Alahamady, vonto Alahamady, vody Alahamady; vava Adaoro, vody Adaoro; vava Adizaoza, vody Adizaoza; vava Asorotany, vonto Asorotany, vody Asorotany; vava Alahasaty, vody Alahasaty; vava Asombola, vody Asombola; vava Adimizana, vonto Adimizana, vody Adimizana; vava Alakarabo, vody Alakarabo; vava Alakaosy, vody Alakaosy; vava Adijady, vonto Adijady, vody Adijady; vava Adalo, vody Adalo; vava Alohotsy, vody Alohotsy. Miisa 28 ireo tonon'andro ireo ka mifanandrify tsara amin'ny efatra herinandro, izany no mahatonga ny isa 28 ho filamatra.

Ny fitetezanana andro[hanova | hanova ny fango]

Ao anatin'ny iray volana dia mifanarakaraka araka ny filaharany ny vintana ka ny vavan'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana diavina no anombohana (ohatra, vava Alahamady); andro ahatsinanan'ny Volana izany. Tsy isaina ho andro voalohany ny andro iray raha tsy tsinana amin'ny marain'io andro io ny Volana. Ny ao anatin'ny iray volana malagasy anefa dia mety misy 28 hatramin'ny 30 andro. Raha misy 28 andro ny iray volana dia mifarana amin'ny vodin'ny vintana mitovy anarana amin'ny volana eo aloha ny volana diavina (ohatra, vody Alohotsy, raha ny volana Alahamady no diavina). Raha tsy tsinana ny Volana amin'ny marainan'ny faha-29 andro dia lasa misy 29 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vavan'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io (ohatra, vava Alahamady). Fa raha mbola tsy tsinana ihany ny Volana ami'ny faha-30 andro dia misy 30 andro ny iray volana ka mifarana amin'ny vodiny na ny vonton'ny vintana mitovy anarana aminy io volana diavina io, ka vodiny raha zanabintana fa vontony raha renivintana.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Pejy mifandray aminy[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany momba ny tetiandro sy ny fanandroana[hanova | hanova ny fango]

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Callet, Tantara ny Andriana eto Madagasikara, 2e édition, 1981.
  • Cousins, Ny fomba malagasy, 7e édition, 1963.
  • Dubois H., Monographie du Betsileo, 1938.
  • Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage", in Madagascar fenêtres, 2002, pp. 92-99.
  • Rasolofo Andrianaivoarivony, "L'architecture traditionnelle à Madagascar : reflet de l'identité d'un peuple", in Madagascar fenêtres, 2002, pp. 100-114.
  • Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, 1998.

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 1,1 1,2 et 1,3 Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.52.
  2. 2,0 2,1 et 2,2 Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.51.
  3. Razafintsalama P.A., Ny finoana sy ny fomba malagasy, p.53.
  4. Cousins, Ny fomba malagasy, 1963. p.20-47.
  5. Jobily Rakotoson, "L'art divinatoire, parole d'un sage", in Madagascar fenêtres, p.94.
  6. Anaran'ny volana ao amin'ny Betsileo-Atsimo, araka an-dRazafintsalama (Ny finoana sy ny fomba malagasy, p. 51).
  7. "Le calendrier malgache" iCalendrier.fr
  8. Taranaka Ramaroson sy Rahely Firaisankina, "Le nom des mois malgaches".
  9. Cousins, Ny fomba malagasy, 1963, p.169.
  10. Ny fanandroan-kintana (frantsay: astrologie sidérale) dia fanandroana manaraka ny fihetsiky ny kintana sy ny antokon-kintana, indrindra ny an'ny zodiaka, fa tsy mionona fotsiny amin'ny anaran'ireo antokon-kintan'ny zodiaka. mifanohita amin'io ny fanandroa-mihodina (frantsay: astrologie tropicale).
  11. Ny ekinoksa dia fotoana ao amin'ny taona itovizan'ny faharetan'ny andro sy ny alina. Roa ny ekinoksa, dia ny ekinoksa eo anelanelan'ny 20 sy 21 Marsa sy ny ekinoksa eo anelanelan'ny 22 sy 23 Septambra.
  12. 12,0 et 12,1 Phase de la lune in Calendrier-365.fr
  13. Stileex.xyz, "Les mois, les jours et les heures malgaches : la notion du temps à Madagascar"
  14. Jean-Paul Parisot et Françoise Suagher (2002) - Calendriers et chronologie : "... Ils (les Malgaches) surveillent Antarès et l'étoile bêta du Scorpion. Les observations se font à partir du mois de mars jusqu'en juillet face au sud. Si la pleine lune est proche de l'étoile bêta et si la nouvelle lune précédente a lieu dans le Bélier, l'année doit posséder 13 mois".
  15. No comment, "Taombaovao malagasy : Au hasard du calendrier !"
  16. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992. p.294.
  17. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo,, 1992, p. 217.
  18. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 209
  19. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 40
  20. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p.89
  21. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 271
  22. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 147
  23. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 210
  24. Ravelojaona, Rajonah Gabriel, Randzavola Henri, Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy, Imprimerie Industrielle, Tananarive, 1937
  25. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 205
  26. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 226
  27. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 249
  28. Cohen-Bessy Annick, Ny Bokin-dRakotovao, Tsipika, Antananarivo, 1992, p. 28