Adizaoza
Ny Adizaoza no vintana fahatelo ao amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Ny Adaoro no eo alohany ary ny Asorotany no manaraka azy.
Fiavian'ilay anarana[hanova | hanova ny fango]
Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اجوزاء / Al-Djuza ("kambana") ny hoe Adizaoza. Amin'ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe Alijoza na Alizoza io teny io.
Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Gemini na amin'ny teny frantsay hoe Gémaux ny hoe Adizaoza. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Jauza na Mapacha io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Jauza na Kembar ihany koa izy.
Ny antokon-kintana Adizaoza sy ny zodiaka[hanova | hanova ny fango]
Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintan'ny Adizaoza dia miantomboka amin'ny 21 Jona hatramin'ny 20 Jolay. Ny fari-potoan'ny Adizaoza araka ny zodiakan-kintana kosa dia eo hatramin'ny 16 Jona hatramin'ny 15 Jolay. Ny Adizaoza ao amin'ny zodiakam-panandroana mahazatra (zodiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia avy eo amin'ny 21 Mey ka miafara amin'ny 21 Jona. Ny Adaoro amin'ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin'ireo noho izy miandry tsinam-bolana.
Adaoro | Adizaoza | Asorotany | |
Antokon-kintana | 13 Mey - 21 Jona | 21 Jona - 20 Jolay | 20 Jolay - 10 Aogositra |
Zodiakan-kintana | 16 Mey - 15 Jona | 16 Jona - 15 Jolay | 16 Jolay - 15 Aogositra |
Zodiaka mikisaka | 21 Avrily - 20 Mey | 21 Mey - 21 Jona | 22 Jona - 22 Jolay |
Ao amin'ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]
Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahatelo koa ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin'ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adizaoza. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" na "sahozanina" raha tsy alam-bintana. Ny Alakaosy no mifandratra amin'ny Adizaoza. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran'ny sinibe ao an-trano. Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin'ny vintany (tsy ny Adizaoza) ireo lazaina fa andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao.
Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adizaoza ho volana fahatelo amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).