Adijady

Avy amin'i Wikipedia

Ny Adijady no vintana fahafolo amin' ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny Alakaosy no eo alohany ary ny Adalo no manaraka azy. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy[1]. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady ny Adijady.

Fiavian' ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Fiavian' ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe اجدي / Al-Djadi ("osilahy") ny hoe Adijady. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alijady io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Capricornus na amin' ny teny frantsay hoe Capricorne io teny io. Amin' ny teny soahily dia atao hoe Jadi na Mbuzi io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Jadi na Kambing Duyung ihany koa izy.

Antokon-kintan'ny Tandrok' Osy

Ny antokon-kintana Tandrok' Osy sy ny zôdiaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Tandrok' Osy dia eo amin' ny 19 Janoary hatramin' ny 15 Febroary. Eo amin' ny 15 Janoary hatramin' ny 14 Febroary ny fari-potoan' ny Tandrok' Osy araka ny zôdiakan-kintana fa amin' ny 21 Desambra hatramin' ny 20 Janoary kosa izany ao amin' ny zôdiaka mikisaka. Ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Adijady[hanova | hanova ny fango]

Toerany[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahafolo ny Adijady ka ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy. Renivintana ny Adijady. Mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy ny Adijady. Mifandratra amin'ny Asorotany sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alahasaty sy ny Adizaoza izy.

Fombany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mafy ny Adijady ka tsara anorenana zavatra tiana hateza satria mijadina mafy. Ny zavatra tian-ko mafy sy mateza no santarina amin' io andro io, toy ny fampidiram-pananana sy biby hompiana ary vola hotehirizina. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady koa ny Adijady. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady.

Vava Adijady[hanova | hanova ny fango]

Ny zaza teraka vava Adijady dia ho vitsy teny, noho izany dia tokony alam-bintana fandrao mijadina loatra ka tsy miteny.

Vonto Adijady[hanova | hanova ny fango]

Heverina ho tsara vintana ny zaza teraka amin' ny vonto Adijady.

Vody Adijady[hanova | hanova ny fango]

Heverina ho tsara vintana ihany koa ny zaza teraka amin' ny vody Adijady.

Volana Adijady[hanova | hanova ny fango]

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adijady ho volana fahafolo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adijady ka miafara amin' ny vody Alakaosy ny volana Adijady raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alakaosy dia miafara amin' ny vava Adijady ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adijady io dia mifarana amin' ny vonto Adijady ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Adijady", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.