Adalo

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Evan'ny Adalo

Ny Adalo dia vintana fahiraika ambin'ny folo amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Ny Adijady no eo alohany ary ny Alohotsy no manaraka azy.

Fiavian'ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Sary maneho ny Adalo

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu ("mpandraraka rano") ny hoe Adalo.

Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin'ny teny frantsay hoe Verseau. Amin'ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Adalo sy ny zodiaka

Mandala eo amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana Adalo ny masoandro amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa. Eo amin'ny 15 Febroary hatramin'ny 14 Marsa ny fari-potoan'ny Adalo ao amin'ny zodiakan-kintana fa amin'ny 21 Janoary hatramin'ny 18 Febroary kosa izany araka ny zodiaka mikisaka.

Ao amin'ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahiraika ambin'ny folo koa ny Adalo ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano avaratra no toerana omena azy. Vintan-dranomaso sy alahelo ny Adalo araka ny finoan-drazana malagasy. Zanabintana ny Adalo.

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adalo ho volana fahiraika ambin'ny folo amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]