Mizana (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Antokon-kintan'ny Mizana

Ny Mizana dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin'ny 30 Oktobra hatramin' ny 20 Novambra. Ny antokon-kintan' ny Virijiny no eo andrefany fa ny an' ny Maingoka kosa no eo antsinanany.

Avy amin'ny teny arabo dia atao hoe اميزان / Al-Mizan ("mizana") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Adimizana na Alimizana na Alimizà.

Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Libra na amin'ny teny frantsay hoe Balance. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Ζυγός / Zugos (na Zygos). Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Mizani io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Mizan na Neraca ihany koa izy.

Ny evan'ny zôdiaka Mizana, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 23 Septambra hatramin'ny 22 Oktobra.

Antokon-kintan'ny Mizana

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: