Adimizana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny evan'ny Adimizana

Ny Adimizana no vintana fahafito amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka sy amin'ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny Asombola no eo alohany ary ny Alakarabo no manaraka azy.


Fiavian'ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Mizana

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe اميزان / Al-Mizan ("mizana") ny hoe Adimizana. Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alimizana na Alimizà io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Libra na amin'ny teny frantsay hoe Balance io teny io. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Mizani io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Mizan na Neraca ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Adimizana sy ny zodiaka

Ny fotoana andalovan'ny masoandro ao amin'ny fari-danitry ny antokon-kintana Adimizana dia amin'ny 31 Oktobra hatramin'ny 22 Novambra. Ny fari-potoan'ny Adimizana araka ny zodiakan-kintana dia eo amin'ny 16 Oktobra hatramin'ny 15 Novambra. Ny Adimizana ao amin'ny zodiaka mikisaka dia eo amin'ny 22 Septambra hatramin'ny 22 Oktobra.

Ao amin'ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahafito koa ny Adimizana ka ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Renivintana ny Adimizana. Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an'izay ateraka aminy. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin'ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro.

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Adimizana ho volana fahafito amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Ao amin'ny fanandroana sy tetiandro malagasy mampiasa ny teny sanskrita nohagasina dia ny Volambita no mifanandrify amin'ny Adimizanan'ny zodiaka mikisaka.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]