Asombola

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Ny evan'ny Asombola

Ny Asombola no vintana fahenina amin'ny fanandroana manaraka ny zodiaka. Ny Alahasaty no eo alohany ary ny Adimizana no manaraka azy.


Fiavian'ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Sary maneho ny Asombola ("Virjina")

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe السنبلة / As-Sumbul ("virjina") ny hoe Asombola.

Manondro ny antokon-kintana atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Virgo na amin'ny teny frantsay hoe Vierge izy. Amin'ny teny maley dia atao hoe Sunbulat na Sumbulat na Perawan ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Alahasaty sy ny zodiaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana andalovan'ny masoandro eo amin'ny antokon-kintan'ny Asombola dia manomboka amin'ny 16 Septambra ka miafara amin'ny 30 Oktobra. Ny fari-potoan'ny Asombola araka ny zodiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral) dia hatramin'ny 16 Septambra ka hatramin'ny 15 Oktobra. Ny Asombola ao amin'ny zodiakam-panandroana mahazatra (zodiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin'ny 23 Septambra ka miafara amin'ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin'ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.


Alahasaty Asombola Adimizana
Antokon-kintana 10 Aogositra - 16 Septambra 16 Septambra -  30 Oktobra 30 Oktobra - 20 Novambra
Zodiakan-kintana 16 Aogositra - 15 Septambra 16 Septambra -  15 Oktobra 16 Oktobra - 15 Novambra
Zodiaka mikisaka 23 Jolay - 22 Aogositra 23 Aogositra -  22 Septambra 23 Septambra - 22 Oktobra

Ao amin'ny fanandroana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Vola

Ao amin'ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina koa ny Asombola ka ny tapany andrefana amin'ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Araka ny finoan-drazana malagas dia vintam-bola sy vintan'ny olona tia harena ny Asombola. Zanabintana ny Asombola.

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Asombola ho volana fahenina amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]