Asaramanitra (volana malagasy)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Asaramanitra dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Asaramantsina no eo alohany ary ny Asotry no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manonona hoe Saramanitra, Saramanitsa na Pitsamanitse. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Ny volana Asaramanitra dia volana voalohany amin'ny Bezanozano fa volana faharoa kosa amin'ny Sihanaka (Rakotosaona, 1972)[1]. Tao Imerina dia nenti-nilazana ny fetin'ny fandroana ny hoe asaramanitra ka nifanandrify amin'ny volana Alahamady (Richardson, 1885)[1] nefa tamin'ireo mpanjaka merina kristiana dia tsy ny Alahamadibe no asaramanitra. Ny Saramanitry antesaka dia volana faha-12 ao amin'io faritra io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:[hanova | hanova ny fango]

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:[hanova | hanova ny fango]

Samihafa[hanova | hanova ny fango]

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Rakotosaona, Rakibolana, 1972/1975 (tsy voatonta).
  • Deschamps Hubert, Le dialecte Antaisaka, Imprimerie Moderne de l'Emyrne. 1936.
  • David sy Irrigaray, Lexique des dialectes du Nord de Madagascar, 1952.
  • Richardson James (Rev.), A New Malagasy-English Dictionary, The London Missionary Society, Antananarivo, 1885. Reprinted in 1967 by Gregg Press Limited, 1 Westmead, Farnborough, Hants., England, 1885
  • Gwyn Campbell, David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar", 2012,
  • William Ellis, History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818 ..., 1838.

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Asaramanitra", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara