Adara (volana hebreo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Adara dia volana faha-12 ao amin'ny tetiandro litorjika hebreo fa volana fah-6 kosa ivelan'ny fivavahana amin'ny taona misy roa ambin'ny folo volana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe אֲדָר / Adar io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Febroary sy Marsa ka misy 29 andro.

Raha ilaina ny hanampy iray volana, amin'ny taona misy telo ambin'ny folo volana, dia ampiana ny volana Adara I (hebreo: 'אֲדָר ב / Adar Alep), izay apetraka ao aorian'ny Sevata sady misy 30 andro, ny Adara II (hebreo: אדר א / Adar Bet) izay misy 29 andro. Ny Adara II izany dia mikisaka ho volana faha-13.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]