Iara (volana hebreo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Iara dia volana faha-2 ao amin'ny tetiandro litorjika hebreo fa volana faha-8 kosa ivelan'ny fivavahana. Amin'ny teny hebreo dia atap hoe אִייָר‎ na אִיָּר /ʾIyyār io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Avrily sy May ka misy 29 andro. Talohan'ny fahababoan'ny Jiosy tany Babilona dia atao hoe Ziva (hebreo: זיו / Ziv) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.1; 6.37).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]