Hesvana (volana hebreo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Hesvana na Kesvana na Marhesvana na Markesvana dia volana fahavalo ao amin'ny tetiandro litorjika hebreo fa volana faharoa kosa ivelan'ny fivavahana. Amin'ny teny hebreo dia atao hoe מַרְחֶשְׁוָן / Marheshwān na חֶשְׁוָן / Heshwān io volana io. Ity volana ity dia manitsaka ny volana Oktobra sy Novambra ka misy 29 na 30 andro. Talohan'ny fahababoan'ny Jiosy na Jody tany Babilôna dia atao hoe Bola (hebreo: Bul) araka ny hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]