Nisana (volana hebreo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Nisana dia volana voalohany amin' ny tetiandro hebreo ampiasaina amin' ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ireo andro firavoravoana ao amin' io fivavahana io. Volana fahafito kosa izy ao amin' ny tetiandro hebreo ampiasain' ny olona andavanandro ivelan' ny fivavahana, ka raha miampy volana fahateloambin' ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Isan' ny volana amin' ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Eo amin' ny volana Marsa na Avrily ao amin' ny tetiandro gregôriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin' ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan' ny fahababoan' ny Jody tany Babilôna, io volana io dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Eksodosy sy ny Bokin' ny Deoterônômia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Amin' ny faha-14n' ny volana Nisana no ankalazan' ny Jiosy ny Pesakh (Paska jiosy) sy ny fiangonana kristiana sasany ny Paska.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]