Torovintana

Avy amin'i Wikipedia
Môzaika natao tamin'ny taonjato faha-6 ao amin'ny sinagôgan'i Beit Alpha any Israely, maneho ireo evan'ny zôdiaka.

Ny torovintana dia kisary sy lahatsoratra ataon' ny olona momba ny fanandroana, izay mampifandray ny evan' ny zôdiakan'ny fotoam-pahaterahana amin' ny toetran' ny olona nateraka na hateraka amin' io fotoana io sy amin' ny zavatra mety hitranga mahakasika azy. Ny torovintana misy antsipiriany dia asehon' ny faribolana atao hoe ekliptika izay maneho ny lalana alehan' ny Tany rehefa mihodina amin' ny Masoandro mandritra ny iray taona.

Ny torovintana misy antsipiriany dia ahitana fizarana roa ambin' ny folo atao hoe "trano", izay maneho ny fe-potoana 24 ora mitovy amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany. Mifandray amin' ny sehatra sasany momba ny fiainan' ny olona voatondro (fanambadiana, fahasalamana, asa, sns.) ny "trano" tsirairay. Ny mpanandro dia mandrafitra ny famantarany ny hoavy arakaraka ny toerana misy ireo zavatra eny amin' ny lanitra ao amin'ireo eva sy trano ao amin' ny torovintana ireo.

Ao amin'ny gezety sy gazetiboky sasany dia ahitana torovintana izay tsy tena vokatry ny asan' ny mpanandro matihanina fa natao hahasarika ny mpamaky fotsiny liana amin' izany, na mora mino fa afaka hatsarain' izany ny fahasalamany sy ny fiharian-kareny sns., ka atao mba hahalafo an' ilay gezety na gazetiboky fotsiny.