Gazety
Ny gazety dia fikaratana lahatsoratra atonta amin'ny taratasy ary avoaka isaky ny tsingerim-potoana, matetika indray isan'andro na isa-kerinandro. Manome fampahalalana ary hevitra mikasika ny zava-mitranga ary ny zava-baovao ny gazety. Afaka mividy azy ao amin'ny kiôska na trano mivarotra taratasy ny gazety. Tsindraindray izy ireo dia aterina ao amin'ny tokantrano rehefa mifandrika amin'ny gazety iray ny tokantrano iray.
Maro ireo lohahevitra ao amin'ny gazety. Ahitana ny raharaha politika, raharaha isan'andro, varotra, fanatanjahan-tena ary famoahan-kevitra. Betsaka koa ireo gazety ahitana fampahalalana mikasika ny toetr'andro. Ho an'ny lahatsora-gazety sasany koa da mety ahitana sary na saritanana.
Erak'izao tontolo izao dia ahitana gazety 6 580 izay mivoaka isan'andro ary mivarotra 395 tapitrisa isan'andro. Tamin'ny faran'ny taompolo 2000 ary ny fitombohan'ny taompolo 2010 ary nohon'ny fihenan'ny fitombosn'ny toe-karena, dia nitombo ny isan'ireo gazety mamoaka lahatsoratra eo amin'ny tranonkala.
Tamin'ny Taona fahagola
[hanova | hanova ny fango]Acta Diurna ny Empira Romana
[hanova | hanova ny fango]dia misy lahatsoratra mivoaka isan'andro izay mitondra ny anarana hoe Acta diurna na Tahiry isan'andron'ny daholobe, izay filazana romana ofisialy. Soratana ambony vato na vy ny lahatsoratr'io gazety io ary aseho eny amin'ny kianja toa ny forum ao Roma. Ny anarana hafan'io fampandrenesana isan'andro io dia Acta na Diurna ary tsindraindray Acta Popidi na Acta Publica.
Nipoitra voalohany indrindra tamin'ny 131 TJK ny karazana Acta voalohany. Tamin'ny voalohany ireo Acta ireo dia lahatsoratra mikasika ny didim-pitsarana farany. Taona vitsivitsy taoriana dia lahatsoratra mikasika ny filazana ho an'ny vahokaa ary fampahalalana hafa toa ny olon-teraka, fanambadiana na filazana manjo. Afaka andro maromaro ilay Acta dia tahirizina anaty tahirin-dahatsoratra.[1]
Any Sina
[hanova | hanova ny fango]Ny taratasy mitati-baovao avoakan'ny governemanta sinoa voalohany izay antsoina tipao dia miely amin'ny mpiasam-panjakana an-dapa mandritry ny dinastia Han (taonjato faha-2 ary faha-3). Tanelanelan'ny taona 713 ary 315, mamoaka ny vaovaon'ny governemanta amin'ny alalan'ny Kaiyuan Za Bao (Biletan'ny Tokotany) ny dinastia Tang. Sora-tanana ambony landy izy io ary vakian'ireo solotenan'ny governemanta. Tamin'ny 1582, no nisian'ny gazety tsy miankina amin'ny governemanta izay naprinty tao Beijing.[2]
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|