Zoma

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro faharoa ny Zoma raha andro voalohany ao amin' ny herinandro ny Alakamisy.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin'ny teny arabo hoe الجمعة / al-jum‘ah izay midika hoe "andro fahenina".

Ny andro Zoma eo amin' ny kolontsaina makagasy[hanova | hanova ny fango]

Laharan' ny andro Zoma ao amin' ny herindro[hanova | hanova ny fango]

Andro faharoa ny Zoma teo amin' ny Ntaolo malagasy.

Finoana momba ny andro Zoma[hanova | hanova ny fango]

Andro mainty ny Zoma ka mety amin' ny fandevenana, toy ny Alatsinainy. Atao hoe "Zoma manantena" ny andro Zoma.

Ohabolana momba ny andro Zoma[hanova | hanova ny fango]

  • Ny akoho no tsy nanidina : tsy nahandry ny andro Zoma.
  • Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany ; ataoko fanjakana arindra.
  • Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]