Fiteny samôrô

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny samôrô na fiteny samôro dia fitenin' ny Samôrô (vahoaka teratany) ao amin' ny Nosy Mariana (ahitana ny nosy Guam sy ny nosy Mariana Avaratra) any amin' ny tapany andrefan' ny Ranomasimbe Pasifika. Na dia ny fiteny anglisy sy ny fiteny japôney aza no be mpampiasa dia mbola mampiasa ny fiteny samôrô ny mponina ao amin' ireo nosy ireo. Misy 50 000 eo ho eo ny mpiteny samôrô, ny ankamaroany dia mipetraka ao amin' ny nosy Guam sy any amin' ny nosy Mariana Avaratra. Ity fiteny dia fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny anglisy. Ny fiteny samôrô dia zana-tsampana amin' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana.