Alatsinainy
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny Alatsinainy dia andro voalohany amin'ny herinandro na andro faharoa raha manomboka amin'ny andro Alahady ny fanisana ny andro. Ho an'ny Malagasy mandala ny nentin-drazana dia andro fahadimy izy raha manomboka amin'ny Alakamisy ny herinandro.
Ny teny malagasy hoe Alatsinainy na Latsinainy na Tinainy dia avy amin'ny teny arabo hoe الإثنين / al-ithnayn izay mitovy dika aminy.