Alakamisy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Alakamisy dia andro fahefatra ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany fa andro fahadimy kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Andro voalohany ny Alakamisy ho an' ny Malagasy mandala ny nentin-drazana tsy mandray ny Alatsinainy na ny Alahady ho andro voalohany amin' ny herinandro. Ny Malagasy talohan' ny fidiran' ny kolontsaina arabo sy ny kolontsaina tandrefana dia nisy nanao ny Alakamisy ho andro voalohany amin' ny herinandro.

Fiavian' ny teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe Alakamisy na Lakamisy na Kamisy dia avy amin' ny teny arabo hoe الخميس / al-khamīs izay midika hoe "ny fahadimy".

Kolontsaina malagasy momba ny andro Alakamisy[hanova | hanova ny fango]

Laharan' ny Alakamisy[hanova | hanova ny fango]

Alakamisy no andro voalohany teo amin' ny Ntaolo malagasy; andron' Andriana, fisantarana ny zavatr' Andriana; andro fidin' ny Andriana hisehoana amin' ny vahoaka[1].

Ny andro Alakamisy ao amin' ny finoan-drazana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Andro tsara[hanova | hanova ny fango]

Andro tsara ny Alakamisy: ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy. Andro tsata ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fivoahan' ny Andriana sy fisantarana ny zavatr' Andriana, fisantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran' ny tafika sady fivoahany[1].

Andro ratsy[hanova | hanova ny fango]

Andro ratsy ihany koa ny Alakamisy: mampisy loza. Ohatra: fady ny mandevina Alakamisy fa miandry Zoma, mbamin' ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny akorandriaka no faditry ny andro Alakamisy[1].

Ohabolana momba ny andro Alakamisy[hanova | hanova ny fango]

  • Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany; ataoko fanjakana arindra.
  • Ny maty no tsy alevina alakamisy sy alahady, ny velona no tandrovina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 1,1 et 1,2 "Alakamisy", H. Rabeony sy ny namany, Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy, 1937-1963.