Malagasy am-pielezana any Frantsa

Avy amin'i Wikipedia

Ny Malagasy am-pielezana any Frantsa dia ahitana ireo olona avy eto Madagasikara nifindra monina any amin' ny tanim-pirenena frantsay, izay tombanana ho 140 000. Io no vondrom-piarahamonina voalohany ao Frantsa avy aty Afrika atsimon' i Sahara[1].

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Onja voalohany (1880-1970)[hanova | hanova ny fango]

Ny mpifindra monina voalohany avy eto Madagasikara tonga tao Frantsa dia ny ankamaroan' ny miaramilan' ny mpanjanaka tao amin' ny tafika frantsay niady nandritra ny Ady Lehibe roa. Taorian' ny taona 1947 dia nisy mpianatra nasiônalista malagasy tonga nianatra tany amin' ny faritra sasany any Eorôpa sy Azia[2]. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mpianatra avy ao Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara, avy amin' ny fianakaviana nanan-danja teo imason' ny manam-pahefana mpanjanaka, izay niainga ho any Frantsa hanaraka fiofanana momba ny fitsaboana sy ny teôlôjia.

Onja faharoa (1975-1990)[hanova | hanova ny fango]

Ity onja faharoa ity dia vokatry ny korontana ara-pôlitika teto Madagasikara[2]. Rehefa tonga teo amin' ny fitondrana i Didier Ratsiraka, izay niavaka noho ny fiharatsian' ny fampianarana, ny mpianatra avy amin' ny sarangan' ireo madiotanana (bourgeoisie) avy ao Antananarivo indrindraindrindra dia nankasitraka ny fiofanana any Frantsa, matetika tamin' ny alalan' ny fianarana eny amin' ny oniversite mila tsingerina maharitra. Ny fiharatsian' ny toekarena (fitomboan' ny fahantrana, fitontongan' ny sandam-bola, kolikoly) izay nolalovan' i Madagasikara tamin' izany fotoana izany no nahatonga ireto mpianatra ireto, izay tokony hanao fifindra-monina amin' ny fotoana voafetra, hanorim-ponenana maharitra any Frantsa.

Onja fahatelo (nanomboka tamin' ny taona 1990)[hanova | hanova ny fango]

Ny mpianatra no tena mpifindra monina any Frantsa, saingy toa niova ny sokajin' ny Malagasy mpifindra monina any Frantsa, raha ny fari-piainana sy ny sôsialy no jerena. Ity andiany fahatelo ity dia ahitana mpifindra monina ara-toekarena ny ankamaroany[2].Nivoatra ny tontolo ara-tsôsialy sy ara-toekarena malagasy, ka toa tsy ny avy amin' ny madiotanana any afovoan-tanin' i Madagasikara ihany ireo mpianatra ireo ankehitriny. Fanampin' izany dia avy amin' ny fianakaviana tsy dia manan-katao izy ireo, ka matetika dia ny fianarana fohy kokoa no metimety aminy.

Ankoatr' ireo antom-pifindra-monina fahita matetika ireo dia nitombo ihany koa ny fifindra-monina noho fanaraham-bady, vokary ny fitomboan' ny asan' ny trano mpikarakara fanambadiana, izay mihamora amin' izao vanim-potoan' ny aterineto izao.

Fitsinjarana ara-jeôgrafia sy fari-pahaizana[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanadihadiana nataon' ny Institut national de la statistique et des études économiques (INSEE) any Frantsa dia efa ho ny 40 %n' ny Malagasy mpifindra monina no mipetraka ao Ile de France, saingy hita ihany koa fa noho ny antony ara-jeôgrafia dia mihoatra ny 10 %n' ny Malagasy no mipetraka ao amin' ny nosy La Réunion, satria akaiky kokoa an' i Madagasikara ity nosy ity[1].

Ny 58 % amin' ny Malagasy mpifindra monina no manana diplôma bakalaurea na ambony noho izany, raha toa ka ny 45 %n' ny mpifindra monina avy aty Afrika atsimon' i Sahara ihany no manana fari-pahaizana toy izany.

Frantsay malaza, manam-piaviana malagasy[hanova | hanova ny fango]

Maro ny Frantsay manam-piaviana malagasy izay mitsinjara amin' ny sehatra isan-karazany, indrindra ao amin' ny fanatanjahantena (baolina kitra, sns) sy ny zavakanto (mozika, sns).

Fanatanjahantena[hanova | hanova ny fango]

  • Agnès Raharolahy, atleta;
  • Alexandre Ramalingom, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Benoit Tremoulinas, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Bernard Petitbois, atleta taloha;
  • Enzo Bovis, mpilalao baolina kitra, efa nikakao tao amin' ny ekipam-pirenena malagasy;
  • Éric Rabésandratana, mpilalao baolina kitra;
  • Franck Béria, mpilalao baolina kitra;
  • Hery Bastien, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Jérémy Morel, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Ludovic Ajorque, mpilalao baolina kitra;
  • Marco Ilaimaharitra, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Mialitiana Clerc, mpano sky, vehivavy voalohany niaro ny voninahitr' i Madagasikara tamin' ny Lalao Ôlimpika Ririnina;
  • Nicolas Senzemba, mpilalao baolina kitra;
  • Romain Métanire, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Tessah Andrianjafitrimo, vehivevy mpilalao tenisy;
  • Thomas Fontaine, mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena;
  • Yoël Armougom, mpilalao baolina kitra.

Zavakanto[hanova | hanova ny fango]

  • Alex Ranarivelo, mpamokatra;
  • Chilla, vehivavy mpanao mozika rapy sy mpmihira;
  • Geoffroy Mussard, antsoina hoe Shurik'n, mpanao mozika rapy sy mpamokatra;
  • Gotaga, mpandefa lalao sy sary mihetsika amin' ny Youtube sy ny mitovy aminy;
  • Guizmo, mpanao mozika rapy;
  • Jeanne Louise Galice, antsoina hoe Jain, mpamorona feonkira sy tononkira ary mpindrana hira;
  • Oboy, mpanao mozika rapy;
  • Philippe Eidel, mpanao mozika, mpamorona feonkira, ary mpanatontosa;
  • Raphaël Mussard, antsoina hoe  Faf Larage, mpanao mozika rapy;
  • Tsew The Kid, mpihira sy mpanao mozika rapy;

Samihafa[hanova | hanova ny fango]

  • Aina Kuric, vehivavy mpanao pôlitika;
  • Andry Rajoelina, mpanao pôlitika, filohan' ny Repoblikan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2019;
  • Bernard Ramanantsoa, mpampianatra, tale jeneralin' ny vondrona École des hautes études commerciales de Paris (HEC Paris) tamin' ny taona 1995 hatramin' ny 2015;
  • Sébastien Folin, mpanao fandaharana amin'  ny fahitalavitra;

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Diaspora malgache: 1re communauté africaine en France après celles du Maghreb" [tahiry], Francetvinfo.fr, 15 janvier 2018
  2. 2,0 2,1 et 2,2 "La diaspora malgache a-t-elle une identité? Une communauté transparente difficile à caractériser Archived Jolay 11, 2023 at the Wayback Machine", Madagascar Tribune, 2 September 2009.