Bakalaorea

Avy amin'i Wikipedia

Ny bakalaorea, amin' ny rafi-pianarana sasany dia ny mari-pahaizana azo rehefa afa-panadinana amin' ny fianarana ambaratonga faharoa. Ny teny hoe bakalaorea dia avy amin' ny teny frantsay baccalauréat izay avy amin' ny teny latina bachalariatus izay sarangan' ny mpianatra amin' ny oniversite. Amin' izao fotoana izao ny bakalaorea dia mari-pahaizana azo amin' ny faran' ny fianarana ambaratonga faharoa (ao amin' ny firenena toa i Madagasikara na i Frantsa), na azo afaka telo taona amin' ny ambaratonga ambony (ny baccalauréat kanadianina na bachelor amerikanina). Any amin' ny firenena manome io mari-pahaizana io amin' ny faran' ny fianarana ambaratonga faharoa dia io no hahafahana miditra any amin' ny oniversite na eny amin' ny sekoly ambaratonga ambony.

Fiaviana[hanova | hanova ny fango]

Ny bakalaorea ankehitriny, araka ny fahalalana azy, dia noforonina tamin' ny andron' i Napoléon I tany Frantsa. Tamin' izany fotoana izany dia nisy sampanana dimy ny bakalaorea: siansa, haisoratra, didy aman-dalàna, fitsaboana, ary teôlôjia). Tamin' ny taona 1808 dia 21 monja no afaka bakalaorea. Tamin' ny taona 1830 no nampidirana ny fanadinana an-tsoratra, ary tamin' ny taona 1840 no nampidirana ny "mention".

Tonga teto Madagasikara ilay mari-pahaizana niaraka tamin' ny fanjanahan-tany.

Sampanana[hanova | hanova ny fango]

Matetika dia ahitana sampanana maro ny bakalaorea: siansa, haisoratra na siansa ara-toekarena ary ara-tsôsialy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.