Baolina kitra


Ny Baolina kitra dia fanatanjahantena mampitohitra ekipa roa misy mpilalao 11 avy ao anaty kianja. Tanjon'ny ekipa tsirairay ny hampiditra ny baolina boribory ao anatin' ny tsatokazo any amin'ny sahan'ny ekipa mpifanandrina aminy, tsy mampiasa tanana, ary matetika kokoa noho ny ekipa iray hafa.
Ny Britanika no nametraka fitsipika mifehy ny baolina kitra[1] tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, nanangana federasiôna iraisam-pirenena izy, ny FIFA tamin'ny taona 1904. Tamin'ny taona 2006, olona 264 tapitrisa eo ho eo ny isan'ny mpilalao baolina kitra maneran-tany, ary izy no fanatanjahatena voalohany ao amin'ny ankabeazan'ny firenena. Anjakan'ny baolina kitra ny kôntinanta toa an' i Amerika sy i Eorôpa ary i Afrika. Ny fahatsoran'ny fitsipi-pilalaovana sy ny havitsian'ny fitaovana ilaina mba hilalao azy no manazava kely io fahombiazany io.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Fiandohany
[hanova | hanova ny fango]
Tsy olona iray no namorona ny baolina kitra, fa nisy fiovàna sy fanatsarana nataon'olona maro nandritra ny fotoana. Taloha be dia efa nisy lalao mitovy amin'ny baolina kitra tany amin'ny firenena maro toa an' i Sina sy i Rôma, saingy ny baolina kitra môderina kosa dia teraka tany Angletera tamin'ny taonjato faha-19. Tamin'izany fotoana izany, nanomboka nilalao baolina ny sekoly sy vondrona mpilalao baolina, saingy samy nanana fitsipika samihafa izy ireo.

Tamin'ny taona 1863, nisy vondron'olona nanangana ny The Football Association (FA) tao Angletera, izay namolavola fitsipika iraisana ho an'ny baolina kitra. Izany no nahatonga ilay lalao hilamina sy hiraisana.
Ny baolina tamin’ny voalohany dia vita tamin'ny hoditra nofenoin-drivotra, ary nanaraka fanavaozana hatrany mba haharitra sy ho tsara kokoa. Ankehitriny, ny baolina dia vita amin'ny akora matanjaka sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Noho izany, ny baolina kitra sy ny lalao amin'ny endriny ankehitriny dia vokatra avy amin'ny fiarahamiasa sy ny fanavaozana nataon'ny olona maro tao Angletera sy maneran-tany.
Fivoaran'ny baolina kitra taorian'ny taona 1904
[hanova | hanova ny fango]
Tamin'ny taona 1904 no naorina ny Fédération Internationale de Football Association (FIFA) tao Paris, any Frantsa, izay lasa fikambanana iraisam-pirenena mitantana ny baolina kitra taty aoriana. Nandritra ny taonjato faha-20 dia nitombo be ny lazan'ny baolina kitra sy ny mpankafy azy io, izay lasa fanatanjahantena malaza indrindra maneran-tany.
Fifaninanana eran-tany
[hanova | hanova ny fango]
Ny fifaninanana lehibe indrindra amin'ny baolina kitra dia ny FIFA World Cup, izay voalohany natao tamin'ny taona 1930 tany Orogoay. Io no nifaninanan'ny ekipam-pirenena tsara indrindra maneran-tany hatramin'izay, ary efa nanjary hetsika lehibe misy mpijery an-tapitrisany eran-tany izy nanomboka tamin' izany fotoana izany.
Ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Fivoarana ara-teknika sy ara-pitaovana
[hanova | hanova ny fango]
Ny baolina sy ny fitaovana filalaovana dia niova sy nihatsara rehefa nandroso ny fotoana. Tamin'ny voalohany, baolina vita hoditra nofenoin-drivotra no nampiasaina. Ankehitriny dia baolina vita amin'ny akora môderina, manaraka fenitra iraisam-pirenena, izay mahazaka tsara ny fandonana sy ny toetrandro, no ampiasaina.
Nisy koa fanavaozana tamin'ny fitsipiky ny lalao, toy ny fitsipika momba ny "offside", ny fanovana ny isan'ny mpilalao, ary ny fampidirana ny teknôlôjia Video Assistant Referee (VAR) ho fanampiana ny mpitsara.
Ny fampielezan-kevitra sy ny fanatontosana
[hanova | hanova ny fango]Miaraka amin'ny haino aman-jery sy ny teknôlôjia vaovao, dia lasa zava-dehibe sy maneran-tany kokoa ny baolina kitra. Ny lalao lehibe sy ny ligy lehibe (toy ny Premier League, La Liga, Serie A) dia manintona mpijery an-tapitrisany, ary mitondra vola be amin'ny dokam-barotra sy ny fanatanjahantena matihananina
Loharano nanovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]Pejy ofisialy Mpilalao foot[2]
