Mozika
Ny mozika dia zavakanto manambatra sy mandrindra ny feo manaraka ny fizotran' ny fotoana. Ny zavatra manan-danja ao amin' ny mozika dia ny gadona (fomba fanakambanana ny feo manaraka ny fotoana), ny haavon' ny feo (fanakambanana ny fadaharana ny feo ambany sy ambony), ny fiovan-kamafy ary ny lokon' ny feo.
Sady famoronana (sangan' asan-javakanto) ny mozika no fanehonana ary fomba enti-mifandray koa. Mampiasa fitsipika na lamim-pamoronana ny mozika, hatramin' ny farany tsotra ka hatramin' ny farany saro-drafitra (ny maripeo, ny korisam-peo, sns.). Mety mampiasa zavatra samihafa izy, ny vatana sy ny feon' olombelona ary ny zavamaneno natao ho an' izany manokana ihany koa.
Efa nisy teo amin' ny fiarahamonin' olombelona rehetra hatramin' ny vanim-potoana talohan' ny nanoratana ny tantara ny mozika.
Sady endrika fanehoan-kevitra ho an' ny tsirairay ny mozika (indrindra fa fanehoana fihetseham-po), no sady antony miteraka fiaraha-mivory sy loharanom-pahafinaretana (mandritra ny lanonana, miaraka amin' ny hira na dihy) ary koa mari-pamantarana ny vondrona ara-kolontsaina na ny firaisana ao amin' ny firenena (hiram-pirenena, mozika nentim-paharazana, mozikam-bahoaka, mozika miaramila) na ara-panahy (mozikam-pivavahana).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Mozika malagasy
- Hira - Zavamaneno - Feo - Maripeo
- Zavakanto - Dihy - Tononkalo
- Korisam-peo
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Miteny frantsay
[hanova | hanova ny fango]- ((fr)) La musique, pourquoi elle rythme nos vies ?
- ((fr)) Metronimo