Aller au contenu

Gadona

Avy amin'i Wikipedia
Natao indrindra hanamarihana ny gadona ny amponga.

Ny gadona, ao amin' ny mozika, dia ny fandaminana andaharana ny feo araka ny fandehan' ny fotoana, izay ahenoana rafitra mitovy miverimberina. Tafiditra ao anatin' izany ny singa rehetra izay ahafahana mamantatra ny firafitra ara-potoan' ny feo: ny elanelana sy ny faharetana ary ny hamafin' ny feo tsirairay.

Amin' ny mozika tandrefana, ny gadona no mamaritra ny faharetan' ny maripeo na naoty sy ny fotoana tokony handrenesana izany. Amin' ny mozika klasika dia gadona manara-dalàna no mamaritra ny atao hoe paika na ba. Ny gadona, ny andalam-peo, ny hafaingan' ny gadona ary ny fiovan' ny vaikan' ny feo no singa efatra lehibe amin' ny mozika an-tsoratra. Amin' ny mozika araka ny fomba amam-panao ivelan' i Eorôpa, ny gadona dia mety mifototra amin' ny zavatra samihafa momba ny mozika, ka mety anisan' izany haavon' ny feo na ny lokony, fa tsy ny fisiana na ny tsy fisian' ny feo fotsiny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]