Haavom-peo
Fiseho
Ny haavon' ny feo na haavom-peo na haavo, amin' ny mozika, dia toetran' ny feo izay tsapa ka ahafahana mandahatra azy amin' ny ambaratongam-hatetika, izany hoe toetra ahafahana mitsara ny feo ho "ambony" na "ambany" amin' ny heviny mifandray amin' ny mozika. Iray amin' ny toetra ilaina indrindra ao amin' ny feo na naoty ny haavo, izay manampy ny faharetana sy ny hamafy ary ny loko. Tondroina amin' ny anaran' ny maripeo eo amin' ny toha-peo na gama ny ny haavon' ny feo. Antsoina hoe "ambaratonga" ny haavon' ny naoty amin' ny toha-peo.
Maripeo | Hatetika | Taha | |
---|---|---|---|
0 | do | 261,6 Hz | = 1 |
1 | do# / réb | 277,2 Hz | ≈ 1,06 |
2 | ré | 293,7 Hz | ≈ 1,12 (≈ 9/8) |
3 | ré# / mib | 311,1 Hz | ≈ 1,19 |
4 | mi | 329,6 Hz | ≈ 1,26 (≈ 5/4) |
5 | fa | 349,2 Hz | ≈ 1,33 (≈ 4/3) |
6 | fa# / solb | 370,0 Hz | ≈ 1,41 |
7 | sol | 392,0 Hz | ≈ 1,5 (≈ 3/2) |
8 | sol# / lab | 415,3 Hz | ≈ 1,59 |
9 | la | 440 Hz | ≈ 1,68 |
10 | la# / sib | 466,2 Hz | ≈ 1,78 |
11 | si | 493,9 Hz | ≈ 1,89 |
12 | do | 523,2 Hz | = 2 (ôktava) |