Aller au contenu

Faharetan' ny feo

Avy amin'i Wikipedia

Ny faharetan' ny feo na faharetana, ao amin' ny mozika, dia ny halavan' ny fotoana ahenoana ny feo mifandraika amin' ny maripeo, na ny an' ny fizaràna, na ny an' ilay mozika manontolo. Mety haharitra latsaky ny iray segondra ny maripeo na naoty iray, nefa mety haharitra adiny iray mahery kosa ny simfônia. Iray amin' ireo toetra fototry ny gadona ny faharetana izay ivon' ny endrika mozikaly. Manana anjara toerana lehibe amin' ny famaritana ny lokon' ny feo ao amin' ny zavamaneno iray ny ny famotsorana ary misy fiantraikany amin' ny fomba fampanenoana ny feo mifandraika amin' ny maripeo na naoty omena.

Io atao hoe faharetana io dia azo zaraina ho paika sy refy, ka ny paika dia heverina amin' ny ankapobeny ho tsy miova (nefa azo antoka fa tsy toy izany hatrany), ary ny gadona dia lava kokoa na fohy kokoa na mitovy halava amin' ny paika. Mety ho raisina ho ampahany amin' ny faharetana mihitsy aza ny haavom-peo. Ny faharetana sy ny fiatombohana ary ny fiafaran' izy ireo dia azo lazaina ho lava, fohy, na maka fotoana voafaritra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]