Lokanga
Fiseho

Ny lokanga dia zavamaneno fahita eto Madagasikara, misy tadiny miisa telo ka hatramin' ny fito. Ditin-kazo no ahosotra ireo tadiny ireo. Ny fikasohana dia vita amin' ny tsiraka taretra na tsiraka hodi-kazo toy ny lombiry, vihana[1]. Ny foko Bara no niavian' ny lokanga. Mampiasa azy amin' ny fanamasahana ny fombafomba ara-pivavahana ny Bara, fa ny Merina kosa mampiasa azy hanarahana ny fampisehoana hiragasy.