Talata

Avy amin'i Wikipedia

Ny Talata dia andro faharoa ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahatelo kosa raha ny Alahady ny andro voalohany. Amin' ny Malagasy manaja ny nentin-drazana dia andro fahenina izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe Talata na Atalata dia avy amin' ny teny arabo hoe الثلاثاء / ath-thulathā’.izay midika hoe "ny telo" na "ny fahatelo".

Ny Talata eo amin' ny kolontsaina malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny finoan-drazana malagasy momba ny andro Talata[hanova | hanova ny fango]

Andro natokana hivoahan' ny Andriana sy fananterana ny zavatr' andriana ny andro Talata. Io no tsara hivoahan' ny tafika fa tsy ny Alatsinainy. Tsy azo atao ny mamangy manjò amin' ny Talata[1].

Ohabolana momba ny andro Talata[hanova | hanova ny fango]

  • Basy tapaka talata: tsy ananan-tsininy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Talata", Rajemisa-Raolison Régis, Rakibolana malagasy, 1985.