Fahavirijiniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fahavirjiniana na ny maha virijiny dia toetran' ny olona mbola tsy nanao firaisana ara-nofo. Tsy miorina amin' ny fototra biôlôjika ny maha virjiny izay foto-kevitra ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina ary ara-pivavahana. Ny maha virjiny ny vehivavy indrindra no tena olana (indrindra ny vehivavy tsy manambady), fa tsy dia misy dikany loatra kosa ny an' ny lehilahy. Matetika izy io no ampifandraisina amin' ny hevitra momba ny fahadiovana sy ny voninahitra, indrindra amin' ny kolontsaina sy ny fivavahana izay manantitrantitra ny fifadiana ny firaisana ara-nofo alohan' ny fanambadiana.

Ny maha zava-dehibe ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina ny maha virjiny dia nitarika teknika samihafa hanamarinana ny maha virjiny ny vehivavy halaina ho vady, voalohany indrindra ny fandinihana ny sarom-pivaviana izay tokony ho rovitra mandritra ny fidiran' ny filahiana amin' ny fivaviana. Amin' ny kolontsaina sy vanim-potoana sasany, ny fitsirihana ny maha virjiny na ny fisian' ny ra eo amin' ny lamba firakotra taorian' ny alin' ny fampakaram-bady dia nanaporofo ny hatsaram-pitondran-tenan' ilay vehivavy, na dia tsy tondro azo itokisana aza izany: ny fanaovana firaisana ara-nofo voalohany misy fidiran' ny filahiana dia tsy voatery hampandeha ra ny sarom-pivaviana. Ankoatra izany, tsy ny vehivavy rehetra no voatery misy sarom-pivaviana. Noho izany, ny maha virjiny dia tsy azo porofoina ara-pitsaboana.

Miovaova arakaraka ny vanim-potoana sy ny kolontsaina ny famaritana ny hoe virjiny: amin' ny fiarahamonina sasany dia mbola virjiny ihany ny vehivavy na dia efa nisy ny firaisana ara-nofo tsy misy fidiran' ny filahiana amin' ny fivaviana, na dia efa namboarina tamin' ny fandidiana aza ny sarom-pivaviana. Ny maha virjiny koa dia mifandray amin' ny famaritana ny atao hoe firaisana ara-nofo.

Aorian' ny biôlôjia sy ny siansa sôsialy, ny foto-kevitry ny hoe virjiny dia notsikerain' ny mpiaro ny zon' ny vehivavy izay mahita azy io ho hevitra manjavozavo sy fitaovam-panjakazakan' ny lehilahy natao hifehezana ny vehivavy, ny vatany sy ny momba ny fampiasany ny fitaovam-pananahany.