Tetiandro hindoa
Apparence
Ny tetiandro hindoa dia tetiandro manara-bolana sy masoandro izay ahitana fanova arakaraka ny faritra ampiasana azy: ny fanjakana indiana isnisany dia manana ny fomba fijeriny ary i Pakistàna dia manana ny azy koa. Ny andro voalohany ao amin' ny taona voalohany amin' ny tetiandro hindoa dia mifanandrify amin' ny 23 Janoary 3102 tal. J.K. ao amin' ny tetiandro gregôriana. Ireto ny anaram-bolana ao amin' io tetiandro io: Chaitra, Vaishākh, Jyaishtha, Āshādha, Shrāvana, Bhādrapad, Āshwin, Kārtik, Mārgashīrsha, Paush, Māgh ary Phālgun.