Taona

Avy amin'i Wikipedia

Ny taona dia fotoana aharetan' ny tsingerim-pihodin' ny Tany amin' ny Masoandro na tsingerim-potoana mifandraika amin' ny fitsingerenan' ny fizaran-taona iray ka manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany. Miankina amin' ny zavatra eny amin' ny lanitra atao fiaingana ny refin' io faharetana io, ka maro noho izany ny famaritana ny atao hoe "taona".

Taon-tetiandro[hanova | hanova ny fango]

Araka ny tetiandro ampiasaina dia misy 12 volana amin' ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran' ny tetiandro miohatra amin' ny zava-miseho eo amin' ny natiora (fizaran-taona, tsingerim-bolana, fanirin' ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin' ny tetiandro hebreo izay tsy toy ny tetiandro miozolmana.

Ny ao anatin' ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan' ny isan' ny andro anatin' ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy ny tetiandro rômana.

Ny taon-tetiandro manara-masoandro[hanova | hanova ny fango]

Ny taona ao amin' ny tetiandro joliana[hanova | hanova ny fango]

Misy 365,25 andro ny salam-paharetan' ny iray taona ao amin' ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin' ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin' ny fampiasana ny tetiandro gregôriana tamin' ny fanitsiana azy tamin' ny taona 1582 faha-papa Gregôrio XIII.

Ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana[hanova | hanova ny fango]

Ny taona iray ao amin' ny tetiandro gregôriana, ilay ampiasain' ny ankamaroan' ny olona amin' izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin' ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana Febroary, fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran' ny taona iray, amin' ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan' ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny tetiandro gregoriana, dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin' ny taona 2017.

Ny taon-tetiandro manara-bolana[hanova | hanova ny fango]

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan' ny taona iray ao amin' ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin' ny taona amin' ny tetiandro gregôriana.

Taona ao amin' ny tetiandro mozilmana[hanova | hanova ny fango]

Ny tetiandro silamo anefa dia teo amin' ny taona faha-1438 tamin' io taona 2017 gregôriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan' ny isan' ny andro ao amin' ny taonan' ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona mozilmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregôriana misy 365 na 366 andro.

Taona ao amin' ny tetiandro malagasy manara-bolana[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bolana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin' ny taona ao amin' ny tetiandro gregôriana. Izany hoe ny iray taona gregôriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro.

Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro[hanova | hanova ny fango]

Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro, izay tsapa amin' ny alalan' ny zava-mitranga (eo amin' ny zava-manana aina na ny toetrandro) miankina amin' ny tsingerin' ny fizaran-taona sy ny toeran' ny kintana sy ny antokon-kintana eny amin' ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan' ny telo taona amin' ny 37 volana na ny 19 taona amin' ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin' i Metôna").

Taona ao amin' ny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoadro[hanova | hanova ny fango]

Misy ny tetiandro malagasy tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana Alahamady amin' ny fari-potoana ao amin' ny volana Marsa sy Avrily. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan' ny volana Alahamady amin' ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.

Ny tsingerim-potoana ao anaty herin-taona[hanova | hanova ny fango]

Ny volana[hanova | hanova ny fango]

Misy roa ambin' ny folo volana ny ao anatin' ny taona iray. Manampy volana iray fahatelo ambin' ny folo ny tetiandro sasany toy ny tetiandro hebreo.

Amin' ny teny malagasy dia indreto ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro gregôriana: Janoary, Febroary, Marsa, Avrily, Mey, Jona, Jolay, Aogositra, Septambra, Ôktôbra, Nôvambra ary Desambra.

Indreto ny anaram-bolana malagasy avy amin' ny fanandroana arabo izay ampiasaina koa amin' ny fanandroana malagasy: Alahamady - Adaoro - Adizaoza - Asorotany - Alahasaty - Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy - Adijady - Adalo - Alohotsy

Ny herinandro[hanova | hanova ny fango]

Misy herinandro 52 miampy andro iray (na roa) ny ao anatin' ny taona iray ao amin' ny tetiandro gregôriana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]