Tetiandro tibetàna

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny tetiandro tibetàna dia tetiandro manara-bolana sy masoandro izay ampiasaina amin'ny raharaham-panjakana ao Tibeta hatramin'ny taona 1027 nefa efa nisy talohan'izay.

Manomboka amin'ny andro ahatsinanan'ny volana manaraka ny fidiran'ny masoandro ao amin'ny antokon-kintan'ny Ondrilahy (Alahamady) ny taona amin'io tetiandro io. Arakaraka ny taona dia mitranga eol anelanelan'ny fiantombohan'ny volana Febroary sy ny fanombohan'ny volana Marsa izany. Ankalazaina amin'io daty io ny taom-baovao tibetàna izay atao hoe Losar. Tamin'ny taona 2008 dia nankalazaina tamin'ny 7 Febroary ny taom-baovao tibetàna. Misy volana roa ambin'ny folo (na indraindray telo ambin'ny folo) ny taona iray ao amin'ny tetiandro tibetàna.

Manana anarana ny taona tibetàna ka anaram-biby ireo anarana ireo sady ampifandraisana amin'ny singa dimin'ny filozofia sinoa. Ny volana anefa tsy manana anarana manokana fa tondroina amin'ny laharany ao amin'ny taona.

Izao ny fifanarakarahan'ny anaran-taona ao amin'ny tetiandro tibetàna: Bitro, Dragona, Bibilava, Soavaly, Ondry, Rajako, Akoholahy, Kisoa, Voalavo, Omby ary Tigra. Ireto koa ireo singa dimy: Afo, Tany, Metaly, Rano, Hazo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]