Hijra
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny Hijra dia ny fifindra-monin'ny mpaminany Mohamady sy ireo mpanara-dia azy tamin'ny 16 Jolay taona 622 avy ao Maka[1] makany Iatriba[2], izay anaran'i Madina[3] taloha, izay any amin'ny 350 km minavaratra. Atao hoe هجرة / hijrah izany amin'ny teny arabo. Io fotoana io no fanombohan'ny fanisan-taona silamo. Ireo mpanara-dia ny mpaminany ireo no atao amin'ny teny arabo hoe الصحابة / aṣ-ṣaḥābah.
Io fotoan'ny Hijra io no fotoana nananganana ny fiombonan'ny mpino silamo voalohany (atao hoe أمّة / ummat), satria ny fiarahamonin'ny vahoaka arabo dia miorina amin'ny fisian'ny foko. Fisarahana tanteraka amin'izany fomba izany ny zava-nitranga tamin'izany andro izany ho an'ny mpino silamo ka rivo-baovao no mitsoka noho izany.
Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]
- ↑ Amin'ny teny arabo dia atao hoe مكة / Makka ny tananan'i Maka izay atao amin'ny teny frantsay hoe La Mecque, na Mecca amin'ny teny anglisy.
- ↑ Amin'ny teny arabo dia atao hoe يثرب / Yathrib ny teny nogasina eto hoe Iatriba.
- ↑ Atao hoe المدينة / Al-Madīna ny tanànan'i Madina amin'ny teny arabo, izay atao hoe Medine amin'ny teny frantsay na amin'ny ten anglisy.