Medina (Arabia Saodita)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Môskean' ny Mpaminany ao Medina

I Medina na Madina, izay nantsoina taloha hoe Yathrib, izay hagasina hoe Iatriba, dia tanàna ao Arabia Saodita, renivohitry ny faritanin' i Medina na Madina, ao amin' ny faritr' i Hejaz. Ny Mediniana na Madiniana na Medinoà no mponina ao.

Tao no nonenan' ny mpaminanin' ny finoana silamo, Mohamady, izay nanorim-ponenana tao tamin' ny taona 622 tamin' ny Hijra, araka ny voalazan' ny Kor'any, rehefa avy nahazo baiko avy amin' Andriamanitra hiala an' i Meka, tanàna any amin' ny 430 km miala eo. Tao ihany koa no nahafatesan' ny Mpaminany sy nandevenana azy tamin' ny taona 632. Ao amin' ny Môskean' ny Mpaminany (arabo: المسجد النبوي / Al-Masjid Al-Nabawi) no misy ny fasany sy ny an' ireo kalifa roa voalohany Abu Bakr sy Omar, fa ny olona manan-danja hafa ao amin' ny finoana silamo sisa tavela dia ao amin' ny fasan' i Al-Baqi. Manana anarana maromaro amin' ny teny arabo ity tanàna ity:

  • Al-Madīna (المدينة) “ilay Tanàna”;
  • Al-Madīna al-Munawwara (المدينة المنورة), izy anarany ôfisialy ary midika hoe "ilay Tanàna Mazava";
  • Madīnatu an-Nabî (ﻣﺩﯾﻨﺔ ﺍﻟﻨﺒﻲ) “ny Tanànan' ny Mpaminany”
  • na Madīnatu Rasûl Allah (لهو له و دله) "ny Tanànan' ny Irak' Andriamanitra".

I Medina no tanàna masina faharoa amin' ny finoana silamo, aorian' i Meka. Na dia tsy toerana tsy maintsy andalovana amin' ny Hajj aza io tanàna io dia maro ny mpanao fivahiniana masina avy any Meka no tonga misaintsaina ao, toy izany koa ny mpino maro mandritra ny taona, eo amin' ny fasan' i Mohamady ary mitsidika ny môskea maro ao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]