Mesianisma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny mesianisma dia dia foto-pampianarana miorina amin'ny fiandrasana sy ny fanomanana vaninandro vaovao izay hitondra fahafahana sy fahasambarana ary fiadanana eto an-tany sady finoana ny fahatongavan'ny olona hitondra izany fanafahana ny olombelona na ny vahoaka voageja izany, ka izany olona izany dia atao hoe Mesia na Masia (izay midika hoe "voahosotra") ao amin'ny fivavahana abrahamika. Tsy ny fivavahana abrahamika ihany no ahitana mesianisma fa fivavahana maro hafa koa. Ny herin'ny mesianisma dia ny fahafahany mandresy lahatra ny mpanaraka azy amin'ny fampanantenana fa ny fahoriana miseho amin'izao fotoana izao dia mialoha ny hiavian'ny zava-tsoa tsara lavitra hoavy.

Miitatra ny hevitry ny hoe mesianisma ka tsy mijanona amin'ny sehatry ny fivavahana fa amin'ny lafiny politika koa ka midika ho fanantenana fanafahana politika ireo tany na firenena voageja.

Mesianisma ao amin'reo fivavahana abrahalika[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ireo fivavahana monoteista telo (jodaisma sy kristianisma ary silamo) dia manambara ny lasa sy ny hoavy ny hoe Mesia. Mampahatsiahy ny lasa io anarana io amin'ny fiainan'ny Mesia amin'ny maha mpaminany sy iraka azy. Mampibanjina ny hoavy kosa izy amin'ny fiverenany ety an-tany izay hiady amin'ny mesia sandoka. Ny Kristiana sy ny Silamo ihany anefa no manao an'i Jesoa ho Mesia.

Mesianisma jiosy[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny Baiboly hebreo dia nohosoran'ny mpaminany Samoela i Saoly (na Saola) sy i Davida.

Ny mesianisma jiosy dia mino ny fiverenan'ny mpaminany Elia (Malakia 4.5) sy ny fiavian'ny Masiah (hebreo: (מָשִׁיחַ / Mashia'h "voahosotra"). Ny mesianisma jiosy anefa tsy tokony hafangaro amin'ny jodaisma mesianista (izay endrika voalohan'ny nanjary kristianisma taloha) sy amin'ny jodaisma mesianika (izay fihetsiketsehana jodeo-kristiana mitory ny filazantsara nefa tsy isan'ny jodaisma). Taty aoriana ny mesianisma jiosy dia miandry ny fiavian'ny Mesia izay mety ho olona tokana na maro.

Ny mesianisma dia nandroso dia nandroso tao amin'ny vahoaka jiosy tamin'ny taonjato voalohany, tamin'ny nandidian'ny emperora romana Titosy ny amin'ny fandravana ny Tempolin'i Jerosalema. Nanohitra ny fahavalo romana ny mpitondra fivavahana sy ny fihetsiketseham-panoherana mitam-piadiana ka nanambara ny fiavian'ny Mesia izay hifanandrify amin'ny fanafahana an'i Israely, dia izany hifarana amin'izany fahababoana ary hamboarina indray ny Tempoly, avy eo dia hitsangan-ko velona ny maty.

Mesianisma kristiana[hanova | hanova ny fango]

Ny eskatolojia kristiana dia mlino fa i Jesoa avy any Nazareta no Mesia na Kristy, izay niaina tamin'ny taonjato voalohany, sady mino ny fiaviany indray ety an-tany, izay hialohavan'ny vavolombelona roa, dia i Elia sy i Henoka (Apokalipsy 11.3.). Ny Mesia kristiana, izay antsoiny hoe Kristy (grika: Χριστός / Christós), dia efa tanteraka ao amin'i Jesoa izay inoany fa mpamonjy sy zanak'Andriamanitra.

Mesianisma silamo[hanova | hanova ny fango]

Ny Miozolmana dia mino fa ny fiavian'i Mahdi fanindroany sy ny fiavian'i Īsā (Jesoa) fanindroany. Ny Silamo dia miantso ny Masiany (arabo: المسيح / Masih), izay tsy izay fa i Jesoa (arabo: عيسى بن مريم / ʿĪsā ibn Maryam "Jesoa zanak'i Maria") ihany.

Ao amin'ny Kor'any dia manondro an'i Jesoa ny teny hoe Masih, izay inoana fa "fanomezana" sy "zanaka madio" izay nambaran'ny anjely Jibrily (Gabriela) niseho tamin'i Mariam (Maria) araka ny sorata 19.19 (Sorata "Maryam"): "Hoy izy: Iraky ny Tomponao hanome anao zanaka madio".

Mesianisma amin'ny fivavahana hafa[hanova | hanova ny fango]

Mesianisma hindo[hanova | hanova ny fango]

Manana ny mesia atao hoe Kalki ny Hindo.

Mesianisma bodista[hanova | hanova ny fango]

Ny Bodista manaraka ny firehana theravāda sy mahāyāna dia manana ny karazana Mesia antsoiny hoe Maitreya.

Mesianisma sy fanafahana politika[hanova | hanova ny fango]

Nisy ny fihetsiketsehana mesianika izay mampitovy ny fikendrena mesianika sy ny tanjona ara-politika. Tamin'ny taonjato faha-17 dia nisy, tao amin'ny fanjakan'i Kongo voazsanaky ny Portogey, ohatra, lehilahy tao amin'ny sarangan'ny olona ambony atao hoe Kimpa Vita na Dona Béatrice izay nampiditra ny fitantarana kristiana tao amin'ny kolontsaina afrikana sady nanambara niaraka tamin'izay ny famerenana amin'ny laoniny an'io fanjakana io sy ny fiavian'ny taranak'olombelona vaovao.

Matetika ny mesianisma manohitra ny Fiangonana, rehefa mifangaro ny fivavahana sy ny politika. Hiata ao amin'ny Epistily ho an'ny Tesalonisiana izany, izay nanaovan'i Paoly fampitandremana izay izay manana fanahy "mihetsiketsika" na "tataitra" noho ny faminaniana ny ami'ny fahantomotry ny "Andron'ny Tompo" (na "Andron'i Jehovah"). I Vatikana koa dia nampitandrina ireo mpiaro ny teolojian'ny fanafahana, izeay mampitovy ny ady ara-panahy amin'ny adin-tsaranga izay nahatonga ny Fiangonana katolika nisaraka tamin'ireo firehana mesianika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]