Istanbul

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Istanbul (amin'ny fiteny tiorka: İstanbul) dia renivohitra ara-toe-karen'i Torkia izay eo amin'ny lafy eoropeanin'i Torkia. Istanbul no tanàna eorôpeanina lehibe indrindra amin'ny lafiny isam-ponina ary tanàna fahatelo lehibe indrindra amin'ny lafin'ny velarantany. Io tanàna io no tanàna renivohitry ny Empira Otomana hatramin'ny taona 1923. Ny anarana nentin'io tanàna io tamin'ny taona taloha dia na Byzantium na Constantinople.

Amin'ny mahaseranana an-dranomasina azy dia ivon-toeram-pifanakalozan'i Torkia i Istanbul.

Tany amin'ny taona 660 talohan'i Jesoa Kristy no namoronana ny tanànan'i Byzantium. Ny tanàna fantatra amin'ny anarana hoe «Istanbul» ankehitriny dia anisan'ny tanàna manan-danja indrindra amin'ny tantaran'i Eoropa. Nandritra ny 1600 taona nananganana azy ho «Constantinople» (grika: Κωνσταντινούπολις Konstantinoúpolis) nanomboka tamin'ny taona 330, dia renivohitra imperialin'i Empira Romana ary ny Empira Bizantina ary ny Empira Otomana ilay tanàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.