Sheikh

Avy amin'i Wikipedia
Sheik kiorda

Ny sheikh, eo amin' ny fiaraha-monina mozilmana, dia teny fanajana iantsoana ny mpitarika fokom-pirenena na olona miavaka noho ny fahalalana ara-tsiansa na ara-pivavahana ananany ao amin' ny finoana silamo. Amin' ny teny arabo izany dia atao hoe شيخ / šayḫ (raha tokana) na شَيُوخْ / šuyūḫ (raha maro) izay midika hoe "tompo", "antidahy", "olonkendry". Antsoina hoe شيخة / sheikha indraindray ny zanaka vavy na vadin' ny sheikh.