Lahatra (silamo)

Avy amin'i Wikipedia

Ny lahatra, izay atao amin' ny teny arabo hoe قدر / qadar, amin' ny finoana silamo, dia ny fandaharan' Andriamanitra ny anjara. Satria Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra sy mahefa ny zava-drehetra, izay rehetra nitranga sy mbola hitranga ao amin’ izao rehetra izao — anisan’ izany ny fitondran-tenan' ny olombelona mpanota — dia tsy hoe fantany fotsiny fa nandidiany. Etsy an-danin' izany anefa, ny olombelona dia tompon' andraikitra amin' ny ataony ka hovalian-tsoa na hosazina mifanaraka amin' izany amin' ny andro fitsarana.

Ny teny arabo hoe قدر / qadar dia midika ara-bakiteny hoe "hery" na "tanjaka", saingy adika amin' ny fomba maro isan-karazany: "anjara", "lahatra", "fandaminan' Andriamanitra mialoha", "fanendren' Andriamanitra mialoha", "didin' Andriamanitra", "didin' i Allah", "fandidiana mialoha".

Iray amin' ny fanekem-pinoana enina ao amin' ny silamo sonita ny fanendren' Andriamanitra mialohana (predestinasiôna) na lahatr' Andriamanitra (miaraka amin' ny finoana ny maha tokana an' i Allah, ny boky vokatry ny fanambaràna, ny mpaminanin' ny finoana silamo, ny andron' ny fitsanganana amin' ny maty ary ny anjely).

Koa satria ratsy ny zavatra maro mitranga eto an-tany, amin' ny maha-ampahan' ny didin' i Allah izany, dia azo zaraina ho karazany roa ny "sitrapon' i Allah" - ny "sitrapo momba izao rehetra izao" (izay rehetra mitranga, lohahevitra ato amin' ity lahatsoratra ity); ary ny "sitrapo mpanao lalàna", izay andidian’ i Allah ny olombelona hatao nefa tsy ataony indraindray (mankato ny lalàna silamo na Sharia).

Ny sekoly silamo sasany tany am-boalohany (kadarià sy motazilisma) dia tsy nanaiky ny fampianarana momba ny lahatra; nanamafy ny Motazilita fa tsy azo eritreretina ny hoe hanasazy ny olona noho izay nandidiany Andriamanitra. Tsy tafiditra ao amin' ny finoana dimin' ny silamo siita ny predestinasiôna. Farafaharatsiny, loharano vitsivitsy no mamaritra ny silamo siita ho mandà ny lahatra, ary farafaharatsiny manam-pahaizana iray (Naser Makarem Shirazi) no milaza fa ny finoana ny lahatra mialoha dia fandavana ny rariny".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]