Jakôba (patriarka hebreo)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Jakoba (patriarka hebreo))
Mitolona amin' ny Anjely i Jakôba, sary nataon' i Alexandre-Louis Leloir (1865)

I Jakôba dia lehilahy voalaza ao amin' ny Baiboly fa zanak' i Isaaka sy rahalahin' i Esao. Anisan' ireo Patriarka nanao fanekena tamin' Andriamanitra izy. I Jakôba dia antsoina koa hoe Israely taorian' ny fitolomany tamin' ny anjelin' Andriamanitra ka ny taranany dia atao hoe Israelita na Zanak' i Israely.

Nanompo an' Andriamanitra tokana izy (mônôteisma) ka nandova ny fampanantenana natao tamin' ireo razany dia ny hanana taranaka maro izay homena tany mahavokatra, dia ny tany Kanaana. Nanambady efatra izy ka niteraka an' ireo zanilahy nipoiran' ny foko roa ambin' ny folo. Niharan' ny fanandevozana tany Egipta ny taranany alohan' ny honenan' izy ireo any amin' ny tany nampanantenaina azy. Tsy ny Baiboly ihany no ahitana ny tantaran' i Jakôba fa ny boky masina sasany toy ny Kor'any koa.

Nampirafy i Jakôba ka ireto ireo vehivavy niterahany: i Lea sy i Rahely sy i Zilpa ary i Bila. Ny roa voalohany, izay mpirahavavy zanak' i Labàna, no tena vadiny fa ny roa farany dia mpanompo vaviny.

Ireto avy ireo zanak' i Jakôba tamin' ireo vehivavy efatra ireo:

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]