Fampirafesana

Ny fampirafesana dia karazam-panambadiana izay ahitana olona iray manambady roa na mihoatra, izany hoe fananana vady maro. Lazaina fa mampirafy ny lehilahy manambady vehivavy vehivavy maro, nefa misy koa ny fampirafesan' ny vehivavy lehilahy maro. Ny fanomezan-dalana ny hanana vady maro ao amin' ny firenena iray dia tsy midika fa izany no tena fanao ao amin' io firenena io. Ao anatin' ny fiarahamonina anjakan' ny fampirafesana dia manana vady tokana (raha ny fahita fa tsy araka ny lalàna) ny 60 ka hatramin' ny 80 % amin' ny tokantrana. Mifanohitra amin' ny fampirafesana ny fanambadiana tokana. Any amin' ny firenena maro dia tsy manaiky afa-tsy ny fanambadiana tokana ihany ny lalàna, tsy afaka manambady afa-tsy olona tokana ny olona iray, ary tsy ara-dalàna ny fanambadian' ny olona mbola tsy nisara-bady ara-dalana, satria mitovy amin' ny fanitsakitsaham-bady.
Ny fiarahamonina samihafa eto an-tany dia tsy mitovy, ao ny manaiky ny fananana vady maro, ao ny mandrara izany. Ao amin' ny fiarahamonina mamela na mandefitra ny fananana vady maro dia ny fampirafesana vehivavy no karazam-pampirafesana ekena amin' ny ankamaroan' ny tranga. Ao amin' ny kolontsaina izay mampihatra ny fampirafesana, matetika no mifandray amin' ny sarangam-piarahamonina sy ny sata ara-toekarena sy ara-tsôsialy ny fielezan' izany eo amin' ny mponina. Ny fanambadiana vehivavy maro no fahita indrindra ao Afrika Andrefana sy ao Afrika Afovoany, izay ahitana firenena heverina ho anjakan' ny fampirafesana indrindra eto an-tany dia i Borkina Fasô, i Maly, i Gambia, i Nizera ary i Nizerià.
Karazana fampitafesana
Fampirafesana sy lalàna
Fampirafesana sy fivavahana
Fampirafesana sy kolontsaina