Mufti

Avy amin'i Wikipedia
Ny sheikh Absattar Derbisali, Mufti Lehibe an' i Kazakstana, manoloana ny Môskea Lehiben' i Astana

Ny mufti dia mpitondra fivavahana mozilmana sonita izay mpanome ny hevitry ny lalàna mozilmana; manana fahefana hamoaka hevitra momba ny lalàna izay antsoina hoe "fatwa" izy. Manam-pahaizana momba ny fivavahana silamo izy sady azon' ny olona tsirairay na ny rantsa-mangaika ôfisialin' ny olemà anontaniana, mba hahafantarana ny tena fanapahan-kevitra tokony horaisina amin' ny fanontaniana momba ny kolontsaina, momba ny lalàna na momba ny pôlitika, mba hifanaraka amin' ny fivavahana silamo.

Ao amin' ny firenena manana rafitra ahitana mufti, indrindra fa ny an' ny Empira Ôtômana teo aloha, ny fitondrana dia manendry mufti lehibe, izay fahefana ara-pivavahana ambony indrindra ao amin' ny firenena.

Aamin' ny ankapobeny, ny mufti dia tsy maintsy miseho eo anatrehan' ny komitin' ny olema, mba hahafahan' izy ireo mamaritra raha mahafeno ireto fepetra manaraka ireto izy: mahafehy ny fitsipika fototra amin' ny fiqh; mahafehy ny siansa momba ny hadita; mahafehy ny tanjon' ny lalàna Sharia (Maqasid ach-Shari`a); mahafehy ny hevi-dehibe momba ny lalàna; mahafehy ny taranja momba ny fampitahana fivavahana; mahafehy ny fototopototry ny siansa sôsialy; mahafehy ny teny arabo; manana fahalalana ampy momba ny zava-misy ara-piarahamonina.

Ho an' ny Siita, ny mitovy amin' ny mufti dia ny mollah na mullah.