Andriamanitra ao amin' ny silamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny Andriamanitra ao amin' ny silamo dia Andriamanitra tokana tsy azo aseho an-tsary satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra. Allah no anaran' Andriamanitra ao amin' ny fivavahana silamo. Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban' olombelona no tsy takatry ny sain' olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin' ny Kor'any, ka zava-miafina tanteraka izy, na "ghayb", ka tsy hay ampitahaina na amin' inona na amin' inona amin' ny zavatra noforoniny. Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny fitsarana farany, niseho tamin' ny mpaminany nifandimby hatramin' i Adama ka hatramin' i Mohamady. Ny Kor'any no boky manambara ny toetr' Andriamanitra izay mihoa-draha tanteraka nefa milaza koa io boky io fa akaiky ny olombelona (Kor'any, soràta 50.16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan' ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra. Fantany ny antsipirian' ny fisainan' ny olona tsirairay, izy no hitsara amin' ny fitsarana farany izay hanasaziana ny mpanota sy ny tsy mino ary hamaliana soa ny mpino mahatoky.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]